Mofon’aina – ALAKAMISY 24 MAI 2018

16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin’ ny fahafetsen’ ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian’ i Jesoa Kristy Tompontsika; fa efa hitan’ ny masonay ny fiandrianany.17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin’ Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin’ ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: « Ity no Zanako malalako izay sitrako ».18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany hianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin’ ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan’ ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik’ andro;20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ ny Soratra Masina dia tsy efan’ ny fisainan’ ny olona fotsiny ihany;21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ ny sitrapon’ ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’ Andriamanitra no nitenenan’ ny olona araka izay nitondran’ ny Fanahy Masina azy.
2 PETERA 1 :16-21

HAMAFISO ORINA NY FINOANA

1-Aoreno amin’ny Tenin’ Andriamanitra .

Marobe ny fampianarana feno hafetsifetsena notorin’ny sasany  tamin’ny andron’ny Apostoly , ka  nanimba  ny fiainan’ny  fiangonana . Mitovy  amin’ny ankehitriny ihany  izany. Izany  indrindra  no ijoroan’i Petera ho  vavolombelona  eo  amin’ny and 18, tamin’ny nandrenesany mivantana an’ Andriamanitra  niteny , nandritra  ny fiovan-tarehy  tao  an-tendrombohitra  (Mar 9 :1) . Izany  no ilazany  hoe: « manana teny  mafy  orina kokoa isika » (and 19). Voarakitra  ao amin’ny Soratra  masina  izany ankehitriny. Ao  no anovozy ny Tenin’ Andriamanitra  hanamafy  orina finoana. Izany  no  mahatonga  ny Protestanta  hanamafy  hoe: Ny  Soratra  masina  irery ihany  . Ivelan’ny Soratra masina  dia anganongano  foronina.

2-Aoreno  amin’ny famoahan-kevitry ny  Soratra  Masina 

Ny andininy  roa  , ny faha- 20  sy  21 dia milaza   ny famoahan-kevitry ny  Soratra masina , misy  anjaran’ny  olona  izany  eo andaniny  ary  ny fanahy masina ankilany , tsy  fisainan’ny olona fotsiny  amin’ny fianarana  sy famakafakana  ary  fandalinana fa  tsy  maintsy  eo  ambany  fitarihan’ny Fanahy masina . Samy hadisoana  ny filazana  na ny hoe: asan’ny Fanahy fotsiny  ny famoahan-kevitry ny  Soratra masina  , na ny  hoe:  vitan’ny  asa sain’ny  olombelona  izany. Ny  tena finoana dia ny Tenin’ Andriamanitra  ampitainy  avy amin’ny Soratra masina , ka hazavain’ny  olona araka  izay  hitondran’ny  Fanahy   Masina  azy  (vakio  and 21b). Izany  no re  ao am-piangonana. Koa  aoreno  amin’izany  ny finoantsika.

Fanontaniana:

Ahoana ny hevintsika  :momba  ny filazana  fa tsy ilaina  ny  mianatra  sy mandalina  fa asan’ny Fanahy  irery  izany  ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !