Mofon’aina – ALAKAMISY 25 JANOARY 2018

1 Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: ianareo efa nahita izay rehetra nataon’ i Jehovah teo imasonareo tany amin’ ny tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,2 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan’ ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.3 Nefa tsy nomen’ i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre hianareo mandraka andro-any.4 Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ ny tongotrao ny kapanao.5 Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.6 Ary nony tonga tamin’ ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy Oga, mpanjakan’ i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.7 Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase.8 Dia tandremo ny tenin’ izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin’ izay rehetra ataonareo.
DEOTERONOMIA 29 :1-8

MIARA-DÀLANA  AMINTSIKA  MANDRAKARIVA  NY  TOMPO

Mosesy  dia toy ny ny fitaovana  ihany  teo  am-pelatànan’ny  Tompo mba hanehoany  ny fiarahany   sy ny fitarihany   ny zanak’Israely   amin’ny fahafenany  sy ny fanapahany. Amin’izao  dia efa   manakaiky   ny  fotoana hidirana  amin’ny tany  nampanantenaina . Noho izany :

1-Tsarovy  izay nataony  ho antsika  tamin’ny lasa 

Ampahatsiahivin’i Mosesy  izay efa  nataon’ny Tompo , manomboka  amin’ny tantaran’ny nanafahana  ny Zanak’ Israely tamin’ny fanandevozan’i Farao  (and 1), ny làlan-tsarotra  sy ny fisedrana nolalovana tany anefitra (and 4,5) , ny ady nifanandrinana amin’ireo  firenen-kafa  (and 6,7)… Ireny  rehetra  ireny  no mampiseho   fa niara-dàlana  tamin’ny vahoakany hatrany ny  Tompo. Matetika isika  no tsy  mahatadidy  izay efa  nataon’ny  Tompo  tamintsika. Tsarovy  àry  fa tia antsika Andriamanitra ka namonjy  sy nanafaka antsika tamin’ny fanandevozan’ny fahotana tamin’ny alalan’ny hazo  fijalian’i Kristy. Ilaina ny mamerina  sy mampahatsiahy izany  mba hahatsapana  ny fanatrehan’ny Tompo.

2-Miomana  hiatrika ny ho avy 

Ny tantara dia mampiseho fa miankina betsaka amin’ny fankatoavana  na tsia  ny sitrapon’ Andriamanitra ny fitahiana sy ny fanambinana ho an’ny olony. Vonona hanome  fitahiana sy fanambinana ary hiantoka  feno  ny ho avintsika  ny Tompo. Fa izay takiany  kosa dia ny hanatanterahantsika ny fanekeny. « Dia  tandremo  ny tenin’izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo  amin’izay  rehetra  ataonareo » (Deo 29 :8)

Fanontaniana:

Inona  no mba  tsaroanao  tamin’izay  niarahan’ny Tompo  taminao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !