MOFON’AINA ALAKAMISY 25 OKTOBRA 2018

5 Raha misy lehilahy vao nampaka-bady, dia tsy handeha hiantafika izy, ary tsy hampanaovina fanompoana akory, fa havela hitoetra ao an-tranony herintaona ka hampifaly ny vadiny izay vao nampakariny.6 Aza misy olona maka ny fikosoham-bary ho tsatôka, na ny vatony ambony aza; fa maka aina ho tsatôka izany.7 Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ny Zanak’Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
DEOTORONOMIA 24 : 5-7

NY FANOMEZANA RARINY NY OLONA

1- Noho ny tokantrano vao

Milaza ny fitsipika ampiharina amin’izay vao nampaka-bady ny Soratra Masina. Mampahatsiahv ny Tenin’i Jesoa hoe : « Moa mahay mifady va ny olona raha mbola ao aminy ny mpampakatra ? » Misy rariny tokoa hoan’ny tokantrano vao dia ny hampitoerana azy amin’ny hafaliana. Tahaka ny fanorenana trano mihitsy, tsy maintsv hatao mafy fototra izany mba tsv ho mora rava. Ny olona vao niova fo dia mitoetra manorina mafy ny finoany aloha mba tsy hiala eo amin’i Jesoa Kristy.

2- Noho ny zava-manahirana azy

Misy zavatra tsy azo hatao antoka satria iankinan’ny aina tahaka ny fìkosoham-bary. Faharatsiana ny mangalatra sy manandevo ny rahalahy. Samy zava-manahirana ireo ka tsy maintsy ny didy nomen’Andriamanitra no harahina mba hisy rariny ho an’izay misambotra eo amin’ny mpampisambotra ary mba hisy fanesorana ny mpanao ratsy tsy hirehareha amin’ny ratsy ataony. Mandeha amin’ny rariny sy ny hitsiny ao amin’ny Tompo isika raha mankato ny didy natao ho tandremana ao amin’ny Baiboly.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !