Mofon’aina – ALAKAMISY 26 APRILY 2018

44 Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin’ izany fihirana izany teo anatrehan’ ny olona, dia izy sy Hosea, zanak’ i Nona.45 Ary nony efa tapitra voalazan’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,46 dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.47 Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
DEOTERONOMIA 32 :44-47

NY LALANAN’NY TOMPO

1-Tandremana sy ankatoavina (and 46)

Didin’ Andriamanitra  ny hampianarana  ny zanak’Israely  ity fihirana ity « soraty  ho anareo   izao  fihirana  izao  , ka ampianaro   ny  Zanak’ Israely, ary  aoka  tsy ho  afaka  ao  am-bavany  izao fihirana  izao  » (31 :19). Teo  no eo ihany i Mosesy  dia nanao   izay hampiharana izany  (and 22-30). Efa   tafiditra  rahateo  ao anatin’ny fanekempinoana Israelita ny hampianatra  tsara   ny lalàna  ny  taranaka (Deo 6 :6-9). Hitohy  hatramin’ny taranaka fara mandimby  ny fitandremana sy fankatovana  ny lalàn’ Andriamanitra , mba  tsy  hamitaka   ny  tena  sy  tsy  hanotana  amin’ Andriamanitra .

2-Manome fiainana (and 47)

Loharanom-piainana  sy  fitsaharana  ho an’izay mankato azy ny lalàn’ Andriamanitra. Maty  tany anefitra  ny maro  tamin’Israely  noho   ny tsy fankatoavana  ny didin’ Andriamanitra. Josoa  sy Kaleba  kosa, noho  ny fanarahany  tsara ny didin’ Andriamanitra dia nandova  ny tany fampanantenana  , dia  ny tany Kanana izany . Zary  lasa  fiainana  ho an’ny mpino    ny fanarahana ny Tenin’ Andriamanitra   . Io   no mahavelona  satria  i Jesoa  Ilay  Teny  tonga  nofo  ka nonina  tamintsika .

Fanontaniana:

Ahoana no fomba  fampianarantsika  ny  Tenin’ Andriamanitra  ny zanantsika ao an-trano ?

Ho an’Andriamanitra ireery ihany ny voninahitra. Amen !