MOFON’AINA ALAKAMISY 26 MARTSA 2020

Miverena ianareo, ry zaza mpiodina. Fa hositraniko ny fiodinanareo. Indreto, manatona Anao izahay, Fa Ianao Jehovah no Andriamanitray. 23 Foana tokoa ny horakoraka any amin’ny tendrombohitra sy ny havoana; Marina fa ao amin’i Jehovah Andriamanitray ny famonjena ny Isiraely. 24 Fa lanin’ilay mampahamenatra hatramin’ny fahazazanay ny zavatra efa nisasaran’ny razanay, Dia ny ondry aman-osiny sy ny ombiny, Ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy. 25 Aoka handry ao amin’ny henatray izahay, Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, Satria tamin’i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay — Dia izahay sy ny razanay, hatramin’ny fahazazanay ka ambaraka andro-any — Sady tsy nihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitray izahay.
JEREMIA 3 : 22-25

NY FIVERENANA AMIN’ANDRIAMANITRA

Vanim-potoana lehibe telo teo amin’ny fanjakan’i Joda no naminanian’i Jeremia. Ny vanimpotoana voalohany dia vanimpotoana izay nitenenany an’i Joda sy ny mpitondra tamin’izany tamin’ny faharatsiany. Vanimpotoan’ny fampitandremana fa raha tsy miala amin’ny ratsy fanaony izy ireo dia ho babo. Ny vanimpotoana faharoa dia vanimpotoan’ny fampaherezana ireo Jiosy babo noho ny fahotany tany Babylona. Ny vanimpotoana fahatelo dia vanimpotoan’ny fampanantenana zava-baovao rehefa vita ny fahababoana. Tao anatin’izany rehetra izany dia tsy nitsahatra namerina ny olona tamin’Andriamanitra izy. Ary araka ny lovan-tsofina dia maty tany Egypta noho ny tora-bato nataon’ireo jiosy mpiray tanindrazana taminy Jeremia rehefa tsy zakan’izy ireo intsony ny teniny. Eto amin’izao mofonaina izao ny fiverenana amin’Andriamanitra dia

  1. Antsom-pitiavana (and 22)

« Miverena ianareo, ry zaza mpiodina »

Rehefa tena mihaino ny tenin’Andriamanitra izay nampitondraina an’i Jeremia isika eto dia tena mahatsapa ny fitiavan’Andriamanitra miantso ny olony, ny vahoakany hiverina taminy. Teo anatrehan’ny fahavalo, izay tsy iza fa ny Babyloniana tamin’ny fotoan’androny mantsy dia niantehitra kokoa tamin’ny fanjakana Egyptiana Joiakima mpanjaka. Nirona kokoa tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Egyptiana izy, tany rahateo izy no nahazo ranon-dranony. Nampitandrina mafy an’i Joiakima Jeremia satria raha teo amin’ny lafiny ara-tafika dia efa nihanalemy ny Egyptiana ary nihanatanjaka ny Babyloniana, indrindra rehefa nitondra Nebokadnezara. Ny fiankianana tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny Egyptiana rahateo dia endriky ny fanompoan-tsampy. Tsy nihaino izany anefa ny mpanjaka fa mbola nanamafy ny fiaraha-miasa tamin’ny Egyptiana. Koa tamin’ny taona 605 talohan’i Jesoa dia resin’ny Babyloniana ny Egyptiana, ary nofaiziny koa Jerosalema mpiara-miasa taminy. Ny antson’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Jeremia dia antsom-pitiavana tsy hiantehitra amin’ny Egyptiana izay tsy naharo azy ireo akory. Antsom-pitiavana ho fisorohana ny loza mety hiseho. Tsy nohenoina anefa ny mpaminany kanjo nahita loza ny firenena manontolo.

Mbola miantso am-pitiavana toa izany Andriamanitra mandraka ankehitriny, antsom-pitiavana amin’ny fiverenana Aminy tokoa. Antso amin’ny fianteherana Aminy fa tsy amin’ny hery hafa izay tsy maharo akory. Dieny mbola tsy misy loza mahazo, dieny mbola vonona handray ny Tompo, handeha tsy hanamafy fo fa avy hatrany dia hanatona ny Tompo amin’ny fitiavana koa.

  1. Antsom-pitiavana ho amin’ny fanasitranana (and 22)

« Miverena ianareo, ry zaza mpiodina. Fa hositraniko ny fiodinanareo »

Ao amin’ny Baiboly dikan-teny frantsay dia izao no voasoratra: « revenez, enfants rebelles, je pardonnerai vos infidélités ». Ny fanasitranana arak’izao dia manomboka amin’ny faneken’Andriamanitra hamela heloka sy hamindra fo amin’ny fiodinana Aminy. Ny hoe miodina aloha dia tsy tokony hohadinoina fa fanomezana lamosina izay hiodinana. Koa vonona hamindra fo amin’izay rehetra nanome lamosina Azy Andriamanitra. Io fiodinana, fanomezana lamosina an’Andriamanitra io no fototry ny olana rehetra eto amin’izao tontolo izao. Fototry ny fahababoana izy ity, fahababoana izay endriky ny fahoriana sy ny olana samihafa mahazo ny olombelona ankehitriny. Amin’ny sehatra rehetra mihitsy eto amin’izao tontolo izao dia miha-mahazo vahana ny fiodinana amin’ny Tompo, miha-mahazo vahana ny fanomezana lamosina ny Tompo. Samy te hitondra ny fiainany lavitra ny Tompo ny rehetra, samy te hiaina tsy eo ambany fitarihan’ny Tompo ny rehetra. Aza adinoina anefa fa ratsy mandrakariva ny fiainana hanaovana ezaka manalavitra an’Andriamanitra (zanaka adala).

Dieny mbola mety ny Tompo, dieny mbola manaiky hanasitrana Izy, dieny mbola mety hamindra fo Izy, aoka hararaotina izany. Io famelan-keloka, io famindram-po izay arahin’ny fanasitranana io no nanirahan’Andriamanitra an’i Jesoa teto amin’izao tontolo izao. Koa handeha hiverina amin’ny Tompo noho ny antsom-pitiavana miantefa amintsika, antsom-pitiavana ho amin’ny fanasitranana.

Ho  an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.