MOFON’AINA ALAKAMISY 29 SEPTAMBRA 2022

10 Ary rehefa notondroin’ny mpanapaka hiteny Paoly, dia namaly ka nanao hoe: Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ity firenena ity, ka dia faly aho handaha-teny hanala tsiny ny tenako; 11 fa azonao fantarina mora fa tsy mba mihoatra noho ny roa ambin’ny folo andro izay no niakarako hivavaka tany Jerosalema. 12 Ary tsy nisy nahita ahy niady hevitra tamin’olona teo an-kianjan’ny tempoly na nampitabataba ny vahoaka tao amin’ny synagoga, na tao an-tanàna; 13 ary tsy hainy hamarinina eto anatrehanao izay zavatra iampangany ahy ankehitriny. 14 Fa izao no ekeko aminao, fa araka ny fampianarana izay ataony hoe fitokoana no anompoako an’Andriamanitry ny razako, sady inoako izay rehetra voasoratra eo amin’ny lalàna sy ny mpaminany, 15 ary manantena amin’Andriamanitra aho, izay antenain’izy ireo koa, fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka. 16 Ary amin’izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. 17 Ary nony afaka taona maro, dia tonga aho hitondra fiantrana sy fanatitra ho an’ny fireneko. 18 Ary tamin’izay dia hitany voadio teo an-kianjan’ny tempoly aho, tsy tamin’ny olona maro anefa, na tamin’ny fitabatabana; fa nisy Jiosy sasany avy any Asia, 19 tokony hiseho eto anatrehanao ireo mba hiampanga ahy, raha tàhiny misy izay hiampangany ahy. 20 Na aoka ireto olona ireto ihany no hilaza izay ratsy hitany raha nitsangana teo anatrehan’ny Synedriona aho, 21 afa-tsy izao teny iray loha izao ihany, dia ilay nantsoiko raha nijanona teo afovoany aho hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no itsarana ahy eto anatrehanareo anio. 22 Ary satria fantatr’i Feliksa tsaratsara kokoa ny amin’izany fampianarana izany, dia nampandeha azy rehetra izy aloha ka nanao hoe: Rehefa tafidinay Lysia, mpifehy arivo, dia hofotorako tsara ny raharahanareo. 23 Ary izy nandidy ny kapiteny hiambina an’i Paoly sy hamela azy hitsangantsangana ary tsy handrara olona na dia iray akory aza amin’ny sakaizany izay ho avy hanompo azy.ASAN’NY APOSTOLY 24:10-23

NY VAVOLOMBELON’I JESOA KRISTY

1- Manazava hevitra am-panajana

« Fantatro fa ianao dia efa mpitsara ela tamin’ity firenena ity ka dia faly aho handahan-teny hanala tsiny ny tenako » (and 10).Niatrika tamim-pahatoniana ny olombelona mpitsara i Paoly .Tsy nitratrevatreva fa nanazava hevitra am-panajana teo ambany fitarihan’ny Fanahy Masina .Tsy izay mivazavaza sy be fihetsiketsehana no atao hoe : mahay mitory teny fa izay mahatafita hafatra am-pahendrena .

2-Mitory ny fitsanganan’ny maty

« Fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny meloka » (and 15) .Nifantoka tsara tamin’ny asa fitoriana i Paoly ary vao mainka narovany tsara ny foto-kevitra izay hiampangana azy momba ny fitsaran’ny lanitra .Sahia mijoro amin’ny fampianarana nomena anao fa aza mora miova hevitra rehefa manoloana ny olombelona na iza na iza .Ambarao hatrany ny marina .

3-Mikely aina hatrany

« Mikely aina koa aho » (and 16) . Ataon’i Paoly ho zava-dehibe ny fitandroana hatrany ny Voninahitr’Andriamanitra .Tsy manamaivana ny velively ny fifandraisana aman’ olona ihany koa anefa izy .Amin’i Paoly dia sady fanatitra no fiantrana ho an’ny fireneny io fijoroany vavolombelona io .

4-Mahazo fandresena

« ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny » (and 10b) .Tsy ny fiahiana ny ara-nofo no hibahan-toerana mialoha amin’ny mpanompon’ny Tompo .Rehefa atao lohalaharana ny Tompo dia Izy no miahy sy mikarakara ny mpanompony .

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.