MOFON’AINA ALAKAMISY 30 JANOARY 2020

24 Ankehitriny dia mifaly amin’ny faharetako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ny nofoko izay tsy vita tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, dia ny fiangonana, 25 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, 26 dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ny olony masina, 27 izay efa tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ny voninahitr’ity zava-miafina ity any amin’ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra; 28 Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’i Kristy izy rehetra. 29 Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ny haren’Ilay miasa mahery ao anatiko
KOLOSIANA 1 : 24-29

PAOLY : MIEZAKA MITORY AN’I JESOA

Ambaran’i Paoly mazava tsara fa miezaka mitory an’i Kristy izy. Tsy tokony hohadinoina fa Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao dia niezaka mandrakariva nanambara ny tenany toy ny hoe : « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, Izaho no mpiandry tsara, Izaho no tena voaloboka,… », dia tsy hoe filazana ny maha-izy azy Azy fotsiny fa tena fijoroany ho modely halain-tahaka ho an’izay manaraka Azy koa. Izany Jesoa milaza ny maha-izy azy ny tenany izany ka tonga modely tsara alain-tahaka no ambara eto fa ezahin’i Paoly toriana. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Mananatra ny olona rehetra amin’ny fahendrena Paoly (and 28)

« Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ny fahendrena rehetra ny olona rehetra »

Mazava tsara arak’izao fa ny olona rehetra no hanarin’i Paoly. Maneho ny tenany ho Apostoly tsy mba manavakavaka, tsy mba manilikilika izy eto. Ilay fananarana dia mifototra amin’i Jesoa, izay ambarany rahateo fa « herin’Andriamanitra sy fahendren’Andriamanitra »( 1 Kor 1 : 24). Ny hoe mananatra amin’ny fahendrena arak’izany dia mananatra ny olona rehetra araka izay nahitany sy nahafantarany an’i Jesoa. Jesoa no fototra iorenan’ny fananarana. Ny fombany, ny toetrany, ny fihetsiny, ny fitondrantenany, ireo rehetra ireo no ho enti-mananatra ny olona rehetra. Ny hoe mananatra hoy isika dia fanomezana ANATRA, na koa fanomezana TORO-MARIKA MAHASOA HO ENTI-MITONDRA NY FIAINANA. Raha nananatra Paoly dia izay rehetra mahasoa tao amin’i Jesoa no natolony mba ho entin’ny kristianina tao Kolosia hitondrana ny fiainany. Ankehitriny dia tena mbola mety tsara ny mananatra ny olona rehetra amin’ny fahendrena, aoka izay rehetra nahasoa tao amin’i Jesoa no hatoro ny olona rehetra hitondrany ny fiainany.

  1. Miasa amin’ny herin’i Kristy (and 29)

DIEM « hahatontosako izany andraikitra izany, dia mikely aina sy miezaka mafy aho, araka ny hery tsy hay tohaina omen’i kristy sady miasa fatratra ato anatiko»

Ambaran’i Paoly fa miezaka mafy tokoa izy amin’ny fitoriana an’i Jesoa. Io fitoriana an’i Jesoa io anefa dia tsy ho efany raha tsy eo ny hery tsy hay tohaina omen’Andriamanitra azy. Tsy noho ny heriny, tsy noho ny tanjany arak’izany no hahavitany io asan’Andriamanitra fa noho ny hery omen’Andriamanitra ka miasa ao aminy. Tsy misy na iza na iza arak’izao fampianaran’i Paoly izao hahavita araka ny tokony ho izy ny asan’Andriamanitra raha tsy mahazo io hery avy amin’Andriamanitra io izy. Noho izany, aza mihambo ho mahavita samirery ny asan’Andriamanitra, hangataho mandrakariva ny herin’Andriamanitra mba hahefana araka ny tokony ho izy, hatramin’ny farany ny asan’Andriamanitra. io hery omen’Andriamanitra io mantsy no manampy be dia be hahajoroana hatramin’ny farany ho vavolombelon’i Kristy

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.