Mofon’aina – Alakamisy 30 martsa 2017

14 Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.15 Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.16 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.17 Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?18 Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.19 Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.20 Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.21 Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.22 Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.23 Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa hianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.24 Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,25 dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:26 Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.27 Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah hianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.28 Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.29 Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa hianareo ka hiala amin’ ny làlana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tànanareo.30 Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.
DEOTERONOMIA 31 :14-30

NY FANANARAN’ ANDRIAMANITRA   NY MPANOMPO

1-Hanehoany  ny toetran’ny olona entiny

Nofidin’Andriamanitra handimby toerana an’i Mosesy   eo amin’ny fitarihana ny zanak’ Israely  i Josoa. Mbola lavitra ny làlana  izorana  hahatongavana any Kanana. Noho izany  indrindra dia tsy nafenin’ Andriamanitra tamin’i Mosesy sy i Josoa ny toetran’ny olona, olona mora mivadika , mora miodina  hanaraka andriamanin-kafa . Fantatr’ Andriamanitra  fa hivadika  hiala  amin’ny fanekeny  ireto olona, eny  fa na dia ho tonga  ao amin’ny tany Kanana  aza. Izany  no toetran’ny olona nampahafantarina an’i Josoa  ary nasehon’ Andriamanitra fa noho  izany toetra izany  dia tsy hijery fotsiny  izy  fa hanafay.

2-Ampahereziny

Sarotra  ny andraikitra miandry  an’i Josoa  noho  ny toetran’ny olona. Mampahery   azy noho  izany Andriamanitra  fa tsy hamela  azy ho irery Izy, homba  azy amin’ny làlana mbola hizorana, eny  ho eo  amin’ny fiainany amin’ny fitarihany  ny zanak’ Israely. Mety  ho kivy tokoa mantsy  izy manoloana  ny fahamafisam-pon’ny olona. Na izany  aza dia taomin’Andriamanitra hatrany  izy ho  amin’ny fitarihana  ny olona hankato  ny didin’ Andriamanitra izay nasaina nosoratan’i Mosesy ka natolotra ny Levita. Ny mpitarika kosa dia ampaherezina  hijoro  ho modely hatrany amin’ny fiarahana  amin’ny fiainana ao amin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Nahoana  no misy  olona  tsy mety  mankato  ny sitrapon’ Andriamanitra ? Inona ny tokony hatao amin’izany?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !