Mofon’aina – ALAKAMISY 31 AOGOSITRA 2017

9 Satria hoy ianao: Jehovah ô, Ianao no aroko, Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,10 Dia tsy hisy loza hanjo anao, Na aretina hanakaiky ny lainao.11 Fa Izy handidy ny anjeliny ny aminao Mba hiaro anao eny amin’ izay rehetra halehanao.12 Eny an-tànany no hitondran’ ireo anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.13 Ny liona masiaka sy ny vipera hodiavinao; Ny liona tanora sy ny menarana no hohitsahinao.14 Satria Izaho no niraiketan’ ny fitiavany, Dia hamonjy azy Aho, Hanandratra azy ho any amin’ ny avo Aho, satria mahalala ny anarako izy15 Hiantso Ahy izy, dia hamaly azy Aho; Ho eo aminy Aho, raha ory izy; Hamonjy sy hanome voninahitra azy Aho.16 Hovokisako fahela-velona izy Ary hasehoko azy ny famonjeko.
SALAMO 91 :9-16

NY VAVOLOMBELON’NY TOMPO DIA :

1-Manana mpiaro

Na eo  aza ireo fahavalo sy ny loza manodidina  antsika  dia indro  isika  fa mbola mijoro, mandresy  ireo fandrimpandrika maro samihafa. Mazava  izao  fa ny Tompo  mihitsy   no mandidy  ny anjeliny   mba hiaro  anao eny  amin’izay rehetra  halehanao. Manamafy  izay  Jesoa araka  ny teniny hoe : « Izaho  momba anareo mandrakariva  ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao » (Mat 28.20)

2-Afaka  mandresy ny sarotra

Isan’ireo  biby masiaka  sy atahoran’ny  olona  ny  liona  sy ny vipera  ary ny menarana. Omen’ny Tompo  fahefana  hanitsaka  sy  hanorotoro  ireny isika. Ny fandresena  ireny  dia tafiditra ao amin’ny mason-tsivana  ho famantarana  ny mino  , izay  fandresena  ny asan’ny  devoly  sy ny miaramilany  izany  .

3-Manana ho  avy  mamirapiratra 

Mazava  ny teny fikasana   voalaza  eto : « hovokisako  fahela-velona izy » (and 16). Miahy ny ankehitriny  sy ny ampitsontsika ny Tompo. Fiainana maharitra  lavitry  ny  tebiteby  sy ny fanahiana  no  homaniny  ho  antsika.

Fanntaniana :

Hatraiza ny fahatsapanao  ny fiarovan’ Andriamanitra ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !