Mofon’aina – ALAKAMISY 31 MAI 2018

9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondòny, dia hovohana ianareo.10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?
LIOKA 11 : 9-11

NY FANOMEZANA TSARA INDRINDRA

1-Ilam-pitandremana sao tsy  ho voaraintsika 

Misy teny telo  andidian’ny Tompo  ataontsika eto : « mangataha , mitadiava, dodony » . Fihetsika asain’ny  Tompo ataontsika  ireo, ary somary  takona ao ambadika  ny hoe: mangataha amin’ny Tompo, mitadiava  ao Aminy, ary  dony varavarana Izy. Olana lehibe  ny fakampanahy  hiheverantsika fa isika efa ao an-tranon’ny Ray, tsy  any  ivelany  ka tsy ilaina  intsony ny mandondona. Ray mahalala ny omena antsika zanany Izy ka tsy  ilaina akory ny mangataka Aminy. Efa eo  anatrehany  isika , atobany amintsika  ny zava-tsoa rehetra  ka tsy ilaina  intsony  ny  mitady  zavatra  ao Aminy . Fakampanahy  izany  ka tandremo. Mazava ny tenin’i Jesoa  natao  ho antsika  ary mandidy  antsika Izy : « mangataha,mitadiava,dodony … »

2-Fanahy Masina izay angatahina amin’ny Ray 

Ny and 13 no mampiseho amintsika ny fahambonian’ Andriamanitra  mihoatra  lavitra  noho ny Ray niteraka. Manaporofo izany ny hoe: « tsy mainka va ny Ray  izay any an-danitra  no hanome  ny Fanahy Masina » Raintsika Izy, ary ny fangatahantsika Aminy  no hahazoana antoka  hanomezany  antsika ny Fanahy Masina. Na dia efa  nirahin’ny Ray  tamin’ny Anaran’i Jesoa aza ny  Fanahy  (Jao 14 :26) dia ampirisihana  isika hangataka  izany. Io   no  fanomezana tsara  indrindra mba hitarika antsika mba hananantsika ny toetran’ny fahamasinana, hananantsika ny toetran’ny zanaka mba hananantsika fahasahiana miantso Azy ho Ray (Rom 8 :16; Gal 4 :6). Angatahina ny Fanahy masina , satria  tena fakampanahy  koa  ny hoe: efa nomeny  ka tsy  ilaina angatahina intsony .

Fanontaniana:

Moa misy fanomezana tsara  sy sarobidy  hafa  nomen’ny Tompo  antsika koa ve ankoatra ny Fanahy Masina?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !