MOFON’AINA ALAROBIA 01 AVRILY 2020

24 Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan’ny adala dia fahadalana ihany. 25 Ny vavolombelona marina mamonjy ain’olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka. 26 Ny fahatahorana an’i Jehovah dia fiarovana mahatoky. Ary ny zanany hahazo fialofana. 27 Ny fahatahorana an’i Jehovah no loharanon’aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
OHABOLANA 14 : 24-27

« NY VAVOLOMBELONA MARINA MAMONJY AIN’OLONA »(AND25)

1-Mamonjy ain’olona

Ny vavolombelona dia afaka  hiaro  satria nahita  sy nanatrika  ary afaka  hitantara  ny zava-nisy marina ka tsy  manampy  na manala izay tena nitranga marina .Manampy ny  olona amin’ny fanambarana ny  marina amin’izany  ny vavolombelona. Eto ambaran’ny ohabolana  fa mamonjy  ain’olona ny vavolombelona marina, satria  manavotra  ilay  olona   amin’ny fiampangana.

2-Mandrava ny herim-pahafatesana

Fahafatesana  no tanjon’ny fiampangana ary raha  tsy  manana porofo  ny amin’izay  zava-marina ny voampanga  dia hiharan’ny famonoana. Andraikitry  ny vavolombelona  ny mandrav izany didim-pitsarana izany ka hahavelona  ilay voampanga. Moa  tsy toy izany va isika noho  ny fahotantsika? Olo-meloka  ka tokony  ho faty. « Fa fahafatesana no tambin’ny ota » hoy  ny voasoratra (Rom 6.23). Kanefa misy ilay  vavolombelona izay manamarina antsika maimaimpoana, dia I Jesoa. Hoy  ny voasoratra : « nefa hamarinina  mamaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho  ny fanavotana izay ao amin’I Kristy  Jesoa » (Rom 3 :24/ Rom 5 :9)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.