MOFON’AINA ALAROBIA 01 DESAMBRA 2021

9 Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany. 10 Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
MPITORITENY 11 : 9 – 10

NY FIFALIANA MARINA

1- Fifaliana ao amin’Andriamanitra

Antsoina hifaly ny zatovo. Mifaly kanefa mahatsiaro fa misy Andriamanitra mijery sy mahita ny zavatra atao, mitsara ny olona araka izany. Ao anatin’ny fahatanorana no ahafahana manomana ny fiainana ho avy. Noho izany raha hifaly dia mifaly ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, izay hitsara ny atao rehetra. Mifaly ao amin’Andriamanitra, mifaly kanefa tsy manota, manda ny fanaon’izao tontolo izao. Matetika ny olona rehefa mifaly dia manadino an’Andriamanitra. Ianao kosa minoa fa misy fifaliana mahasoa ho anao ao amin’Andriamanitra.

2- Fifaliana mandresy ny sarotra

Ny fifaliana iarahana amin’Andriamanitra no tena tsara sy miavaka. Fifaliana mandresy ny zava-manahirana rehetra. Matetika dia mifamahofaho eo amin’ny fiainan’ny olona ny alahelo, ny hakiviana. Mitady ny fomba hialana amin’izany ny olona, indrindra ao anatin’ny fahatanorana sy ny fahatanjahana ka mitady fampifaly ny nofo. Vao maika anefa malahelo satria mandalo ny fifaliana an-tany. Ny tena fifaliana dia ny fanomezana avy amin’Andriamanitra tanteraka tao ami’i Jesoa Kristy, dia fiainana miaraka Aminy. Raha izany fifaliana marina izany no katsahina dia ho resy ny zava-manahirana rehetra. Katsaho ny tena fifaliana.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.