MOFON’AINA ALAROBIA 01 JOLAY 2020

1 Ary Mosesy niandry ny ondry aman-osin’i Jetro rafozany, mpisorona tao Midiana, dia nitondra ny ondry aman’osy tany ankoatry ny efitra ka nankany Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra. 2 Ary Ilay Anjelin’i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana. 3 Ary hoy Mosesy: Hivily kely aho ka hizaha io fahitana lehibe io, hahafantarako izay tsy ahalevonan’ny roimemy. 4 Ary rehefa hitan’i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan’ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho. 5 Ary hoy Izy: Aza manakaiky ety; esory ny kapanao amin’ny tongotrao, fa tany masina io ijanonanao io. 6 Dia hoy koa Izy: Izaho no Andriamanitry ny razanao, dia Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamahitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba. Dia nisaron-tava Mosesy, fa natahotra hijery an’Andriamanitra izy. 7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; 8 dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ny tànan’ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’izany tany izany ho any amin’izay tany soa sy malalaka, dia any amin’izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 9 Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely dia efa mby aty amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ny Egyptiana azy. 10 Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. 11 Fa hoy Mosesy tamin’Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin’i Farao sy hitondra ny Zanak’Isiraely hivoaka avy any Egypta? 12 Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an’Andriamanitra eto amin’ity tendrombohitra ity ianareo.
EKSODOSY 3 : 1-12

ANDRIAMANITRA MANAFAKA NY TOMPO

Ity mofonaina ity dia mitantara ny fomba noentin’Andriamanitra niantso an’i Mosesy sy ny nandreseny lahatra an’i Mosesy ho irany ho any Egypta hanafaka ny Zanak’Isiraely olony amin’ny fanandevozan’ny Egyptianina. Ambaran’izao mofonaina izao fa ren’Andriamanitra ny fitarainan’ny Vahoakany ka hidina hanafaka azy ireo Izy. Mpanafaka amin’ny fahorian’ny fanandevozana ny Tompo ka

  1. Mandre sy mahita ny fitarainan’ny vahoakany (and 9)

« Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan’ny Zanak’Isiraely dia efa mby aty amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian’ny Egyptiana azy »

Izao mofonaina izao dia maneho amintsika fa Andriamanitra mahita sy mandre ny fahoriana ka mampitaraina ny vahoakany Andriamanitra. Tsy misy na inona na inona arak’izao miafina amin’Andriamanitra, indrindra raha ny zavatra mahazo ny olony sy ny vahoakany. Tena toky ho antsika ny mamaky izao andininy izao satria mampahatsiaro ny maha-izy-azy an’Andriamanitra izao.

Te hitaona antsika mpamaky ny Soratra Masina fa raha misy zavatra mampahory, mangeja, mamatotra dia azo atao tsara ny mitaraina fa ren’Andriamanitra sy hitany ny fahorian’ny vahoakany. Raha mahatsiaro isika Malagasy fa tena mavesatra, mampahory, mampatahotra izao zava-misy eto amin’ny firenena izao, inona tokoa moa no manankana antsika tsy hitaraina amin’Andriamanitra. Raha manao izany isika, dia mila mino fa efa hitan’Andriamanitra ny zava-manjo antsika, ary hanapa-kevitra hidina hanafaka Izy.

  1. Miara-miasa amin’ny mpanompony (and 10)

« Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin’i Farao hitondra ny Zanak’Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta »

Vitan’Andriamanitra ny asa fanafahana ny Zanak’Isiraely. Vitany io na dia tsy eo aza Mosesy. Eto amin’izao mofonaina izao anefa dia nisafidy manokana ny Tompo hiara-miasa amin’ny Mosesy. Midika izany fa amin’ny asa fanafahana dia misafidy mpiara-miasa aminy ny Tompo. Misafidy mpiara-miasa Izy izay omeny andraikitra, anjara fanompoana. Ilay olona nofidian’Andriamanitra arak’izany dia tonga manana anjara amin’ny asa fanafahan’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely. Tsy miasa irery Andriamanitra, tena tia miara-miasa amin’ny olona Izy raha miresaka fanafahana sy famonjena.

Meteza arak’izao ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra. Meteza hanana anjara amin’ny famonjen’Andriamanitra ny hafa. Tsy ho mpanambara fa Andriamanitra manafaka sy mamonjy fotsiny ny Tompo fa tena ho mpiara-miasa matoky Aminy mihitsy.

  1. Momba ny mpanompony mpiara-miasa Aminy (and 12)

« Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao »

Tsy zavatra mora amin’i Mosesy ny hoe hiverina any Egypta indray, indrindra taorian’ny nahafatesany ilay Egyptianina nampijaly ny hebreo rahalahiny. Tsy mora amin’ny Mosesy ny handresy lahatra na i Farao na ny Zanak’Isiraely ny amin’ny maha-irak’Andriamanitra azy. Izany no antony nilàny toky tamin’Andriamanitra. Fantatr’Andriamanitra tsara izany ka izany no nahatonga an’Andriamanitra nanome toky fa homba an’i Mosesy Izy.

Tsy zavatra mora no iarahan’Andriamanitra miasa amintsika. Tsy zavatra mora ny manafaka ny olon’Andriamanitra amin’izay hamatoran’i satana azy. Rehefa matoky anefa isika fa momba antsika Andriamanitra dia tsy misy zavatra izay tsy ho vitantsika koa. Raha Andriamanitra tokoa moa no miasa, iza no hahasakana ? Mila tena matoky tanteraka izany isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.