Mofon’aina – ALAROBIA 03 MAY 2017

8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,9 araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.11 Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo an-kavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.15 Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masina hatrany an-kibon-dreniny aza.16 Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.17 Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tompo.
LIOKA 1 : 8-17

Rehefa miresaka an’i Jaona mpanao batisa, dia ny nanaovany batisa an’i Jesoa no mby ao an-tsain’ny maro, fa na izany aza dia nanana iraka lehibe izay mampiavaka azy koa i Jaona dia ny maha vavolombelon’ny fahendren’ny Tompo azy, ary fahendrena hafa kely satria :

1-Fahendrena mampody ny tsy manoa (and 17 b)

Raha malaza amin’ny maha Firenena mafy hatoka sy tsy manoa tokoa mantsy Israely ka nampihaiky ireo Mpaminany maro, dia Andriamanitra kosa dia manana ny fomba fiasany ka naniralka an’I Jaona mba hampody ireo tsy manoa an’Andriamanitra.Ary i Kristy rahateo, dia tsy ny tsy manoa teo amin’Israely ihany fa ny tsy manoa eto amin’izao tontolo izao mihintsy no tiany hiverina amin’Andriamanitra Rainy.Fa tsy olona iray na vitsivitsy fotsiny no hampodiana nohon’ny fahendrena fa :

2-Fahendrena manomanana Firenena ho an’ny Tompo (and 17 d)

Tena asa manokana mihintsy ny an’i Jaona satria, ny Firenena iray manontolo mihintsy no nomaniny ho an’i Kristy, ary tsy Israely ihany fotsiny aza, fa  izao tontolo izao mihintsy, ary na dia isika Malagasy aza , matoa tonga hatraty amintsika ny Filazantsara dia satria vavolombelon’ny Tompo ny fahendrena izay napetrany ao anatintsika.

Fanontaniana:
Efa manoa ny Tompo tokoa ve ianao? Sa manaraka ny fahendren’olombelona fotsiny?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !