MOFON’AINA ALAROBIA 03 OKTOBRA 2018

23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindrampo ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
MATIO 23 : 23 – 26

NY MPIVAVAKA MARINA

Matio 23 dia maneho ny fampianarana nataon’i Jesoa Kristy miantso ny mpanaradia Azy mba tsy ho variana amin’ny fombafombam-pivavahana fotsiny.

1-  Mifandray tsara amin’Andriamanitra sy ny hafa

Mananatra mafy ny mpanora-dalàna sy ny fariseo i Jesoa. Ireto sokajin’olona ireto dia fatra-panaraka antsipirihiny ny Lalàna. Miharihary teo imason’i Jesoa anefa fa fombafomba ivelany fotsiny ihany izany. Ny zava-dehibe indrindra tokony ho natao dia tsy nataony. Takian’i Jesoa mba hanana fitondrantena mendrika amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra izy ireo dia ny «finoana» Azy sy ny asany. Ary koa ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona dia ny fandehanana araka ny rariny sy ny fanehoana ny famindrampo. Tsarovy ary fa ny tena mpivavaka marina dia tsara fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny namany.

2-  Mandresy ny fihatsaram-belatsihy

Mafy tokoa ny fananarana ataon’i Jesoa amin’ireto mpanoradalana sy Fariseo ireto : « mpihatsaravelatsihy ». Manadio ny ivelan’ireo fitaovana toy ny kapoaka, lovia izy ireo kanefa ny ao anatiny mbola misy loto. Ambaran’i Jesoa fa fisehoana ivelany, endrika ivelany izany. Miseho ho marina sy mahitsy, mandeha amin’ny fahamasinana izy ireo kanefa ny fiainam-panahiny tsy mifanaraka amin’ izany. Tsy nankasitrahan’i Jesoa Kristy izany « toe-tsaina » izany ka mananatra ny mpanaradia Azy Izy. Tokony handresy ny fihatsarambelatsihy ny tena mpianatry ny Tompo miroso amin’ny fivavahana marina.

Fanontaniana :

Inona no tanjon’ny fananarana ataon’i Jesoa Kristy eto ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !