MOFON’AINA ALAROBIA 04 DESAMBRA 2019

15 Fa izao no lazain’ny Iray avo sy manerinerina, izay monina mandrakizay, masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ny torotoro fo sy ny manetry tena, hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo; 16 Fa tsy hifandahatra mandrakariva Aho ary tsy ho tezitra mandrakizay; Fandrao ho reraka eo anatrehako ny fanahy, dia ny aina* izay nataoko. [Heb. fofonaina] 17 Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany. 18 Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy ihany, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy, 19 Dia Izaho Izay mahary ny vokatry ny molotra: Fiadanana, fiadanana ho an’izay lavitra sy ho an’izay akaiky! hoy Jehovah, ka dia hahasitrana azy Aho. 20 Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, eny, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. 21 Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro.
ISAIA 57 : 15-21

ILAY ANDRIAMANITRA MANOME FIADANANA

Araka izay efa nazavaina tamintsika tany aloha, ny bokin’i Isaia dia boky faminaniana ho an’ny Jiosy tany am-pahababoana ny ampahany. Ireo Jiosy babo no niantefan’ny hafatr’i Isaia. Izany moa dia ho fampaherezana azy ireo mba tsy hamoifo noho ny fahababoana. Izany koa da maneho fa tsy nanadino azy Andriamanitra na dia babo aza izy ireo. Nisy mantsy nihevitra tamin’ireo babo fa narian’Andriamanitra izy ireo, nafoin’Andriamanitra tanteraka. Teo anatrehan’izany anefa no nirahina ny mpaminany hampahery ka haneho amin’izy ireo fa mahatsiaro azy ireo Andriamanitra. Eo anatrehan’ny fahorian’ny babo anefa no hanambaran’Andriamanitra ny tenany ho Andriamanitra manome fiadanana. Iza avy tokoa moa no misitraka izany fiadanana izany

  1. Ny jentilisa (and 19)

« fiadanana ho an’izay lavitra »

Ny hoe lavitra dia enti-milaza ireo firenena jentilisa izay lavitra an’Andriamanitra. Lavitra an’Andriamanitra noho izy ireo tsy mivavaka sy mino an’Andriamanitra. Lavitra noho izy ireo manompo andriamani-tsy-izy. Lavitra koa satria raha jerena manokana dia tsy mba isan’izay mifandray amin’Andriamanitra ao amin’ny tempoly. Ireo firenena tsy Jiosy no ambaran’i Isaia fa lavitra eto. Ny mahagaga anefa dia ny mahita fa na dia lavitra an’Andriamanitra aza izy ireo dia manana fiadanana atolotra azy ireo Andriamanitra. Midika koa izany fa na dia mbola tsy mifandray tsara amin’Andriamanitra aza izy ireo dia efa manomana fiadanana ho azy ireo Andriamanitra. Ho an’ny olona rehetra tokoa izay fiadanan’Andriamanitra izany. Ny olona rehetra no tian’Andriamanitra hisitraka izany fiadanany izany.

Mety anisan’ireo olona tsy mbola mpiditra am-piangonana ny ankamaroantsika, mety tena mbola mahatsiaro fa lavitra an’Andriamanitra isika, manana fiadanana hatolotra antsika Andriamanitra. Manam-piadanana ho antsika Andriamanitra.

  1. Ny kristianina (and 19)

« fiadanana ho an’izay akaiky »

Ny hoe akaiky indray dia ho enti-manondro manokana ny Jiosy, ilay firenena sy vahoaka izay nofidian’Andriamanitra manokana hanehoana ny tenany. Ilay firenena manokana nofidian’Andriamanitra hanehoany ny voninahiny. Ity vahoaka sy ity firenena ity moa dia tsy tokony hohadinoina fa noho ny fahababoana dia tena ory tokoa. Manam-piadanana ho an’izay olony ory ny Tompo. Ho azy ireny koa ny fiadanana izay ambaran’i Isaia eto.

Raha anisan’ny vahoakan’Andriamanitra miatrika fahoriana isika, raha anisan’ny vahoakan’Andriamanitra ao anaty fahoriana, indrindra noho ny fijoroana vavolombelon’ny Tompo, tsarovy fa manam-piadanana ho anao Andriamanitra.

  1. Ny tsara fanahy (and 21)

« Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy Andriamanitro »

Ny ratsy fanahy dia iantsoana ireo olona nantsoin’Andriamanitra tamin’ny fitiavana hiverina tao Aminy, kanefa miavonavona tsy mety miverina, ary tsy mba mety miala amin’ny faharatsiany. Ireny olona ireny no antsoina hoe ratsy fanahy, ilay avonavom-po tsy mety manatona an’Andriamanitra no maha-ratsy fanahy azy. Ny olona toa izany dia mbola hitoetra ho lavitra an’Andriamanitra mandrakariva. Ary satria lavitra an’Andriamanitra dia tsy mba hanam-piadanana na oviana na oviana.

Fa ny mifanohitra amin’izany koa dia marina, izay rehetra manaiky hanatona ny Tompo noho ny antsom-pitiavany ka miverina tanteraka ao Aminy no hiadana. Tsy ho tafaverina ao amin’ny Tompo anefa ny mino raha tsy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Zava-dehibe arak’izany Jesoa satria mamerina antsika ho ao amin’ny Tompo, ary rehefa tafaverina ao amin’ny Tompo isika dia hisitraka ny fiadanana izay atolony.

Rehefa tena dinihina izao soratra Masina izao dia manana fiadanana atolotra ny olona rehetra ny Tompo, na kristianina na Jentilisa isika, tsy mba ho afaka hisitraka izany fiadanana izany kosa anefa izay rehetra ambara fa ratsy fanahy lavitra ny Tompo ka be avonavona sy tsy mety miala amin’ny faharatsiana.

Ho  an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.