Mofon’aina – Alarobia 04 janoary 2017

1 Ary Jesoa, nony nahita ny vahoaka, dia niakatra teo an-tendrombohitra; ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany.2 Dia niloa-bava Izy ka nampianatra azy hoe:3 Sambatra ny malahelo am-panahy; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.4 Sambatra ny ory; fa izy no hampifalina.5 Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.6 Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.7 Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana.8 Sambatra ny madio am-po; fa izy no hahita an’ Andriamanitra,9 Sambatra ny mpampihavana; fa izy no hatao hoe zanak’ Andriamanitra.10 Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.11 Sambatra ianareo, raha haratsin’ ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny Amiko.12 Mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo
MATIO 5 : 1-12

NY TENA FAHASAMBARANA

1.Iza no tena sambatra ?

Raha araka izay fahita ao amin’ny Salamo sy ny Filazantsara, ny olona sambatra dia ireo izay mitandrina ny Tenin’Andriamanitra hany ka manana fiainana mifanohitra amin’izay fombam-piainana ety amin’izao tontolo izao. Anisan’ny sambatra ve ianao ?

2.Ireo toetra miantoka fahasambarana :

Malahelo am-panahy(3), manetry tena,(4), malemy fanahy (5), noana sy mangetaheta ny fahamarinana(6), feno fiantrana(7), madio am-po (8), mpampihavana(9). Azo eritreretina fa ny korontana miseho amin’izao vaninandro izao dia manambara ny tsy fahitàna intsony ireo toetra ireo eo amin’ny olona satria manjaka loatra ny fitiavantena sy avonavona (2 Timoty 3). Ny kristianina izany dia tokony hahitàna ireo toetra ireo ho vavolombelon’i Kristy ety amin’izao tontolo izao . Tery amin’izany ve ianao ?

3.Ny tsy maintsy andalovan’ny kristianina :

Enjehina satria mijoro amin’ny fahamarinana (10), haratsiana nohon’ny amin’i Jesoa Kristy (11). Andeha anefa hanamafy ny fatokiana an’i Jesoa izay ao anatitsika. Izy mantsy efa naharesy ireny fahoriana rehetra ireny (Jaona 16. 33) Fizahan-toetra avokoa anefa ireny ka mila manana fijoroana vavolombelona hentitra.

4.Fampanantenana valim-pitia omen’ny Tompo.

Ho setrin’ny fahoriana rehetra dia hisalotra ny anarana hoe zanak’Andriamanitra, hahita an’Andriamanitra, mpandova ny fiainana mandrakizay satria mahazo ny fanjakan’ny lanitra. Deraina ianao Tompo ô !

Fanontaniana :

Karazana fahasambarana inona re no tadiavinao, ao amin’ny olombelona sa ao amin’i Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !