MOFON’AINA ALAROBIA 04 NOVAMBRA 2020

Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsoantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesoa taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo. 30 Dia nahiratra ny masony; ary Jesoa namepetra azy mafy ka nanao hoe: Tandremo mba tsy ho fantatr’olona izao. 31 Kanjo nony niala teo izy roa lahy, dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.
MATIO 9 : 27-31

JESOA MAMPAHIRATRA NY JAMBA

Ny filazantsara dia maneho amintsika mamaky ankehitriny fa rehefa mifanena Jesoa sy ny olana mamatotra ny olona manatona Azy dia mandresy ny olana mamatotra ny olona Jesoa. Tsy nisy zava-nanahirana ny olona, na aretina, na fampahorian-demonia, na kilema, na hanoanana noentina teo amin’i Jesoa ka tsy nivaha. Asehon’ny mpanoratra ny filazantsara amintsika fa i Jesoa dia Andriamanitra azon’ny olona natonina ary tena nanafak’olana azy ireo. Nahoana tokoa moa izy roa lahy jamba ireto no nahiratra ?

  1. Nanaraka sy naharaka an’i Jesoa izy ireo (and 27,28)

« Ary nony niala teo Jesoa, dia nisy jamba roa lahy nanaraka Azy sady niantsiantso hoe: Mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô! 28 Ary rehefa niditra tao an-trano Izy, dia nanatona Azy ireo jamba »

Ambaran’i Matio fa nanaraka an’i Jesoa ireto jamba ireto, ary raha tonga tao amin’ny trano iray Jesoa dia tonga tao koa izy ireo. Mahagaga ihany ny mahita hoe jamba afaka nanaraka an’i Jesoa ary naharaka an’i Jesoa tamin’izay nalehany. Ny teny hoe jamba sy ny nanaraka mantsy dia misy fifanoherany ihany. Raha ny marina tsy tokony ho afaka nanaraka an’i Jesoa izy roa lahy noho ny hajambana. Tsy voatantara amintsika hoe fomba ahoana no nahatonga azy roa lahy nanaraka an’i Jesoa hatrany amin’ny trano. Fa ny azo antoka dia nisy ezaka manokana nataon’izy ireo hahatanteraka izany. Ny manaraka an’i Jesoa dia miara-dalana Aminy, mandeha amin’izay nandehanany. Ny hoe nanaraka koa dia ho enti-milaza fa mampitovy tanjona amin’izay harahina. Ka izay tanjon’i Jesoa no tanjon’izy mirahalahy. Tsy tonga tonga ho azy arak’izao ny fandresena ny fatoran’ny hajambana, misy ezaka manokana, misy tanjona manokana mila iarahana amin’i Jesoa Kristy.

Inona re izao no olana, fahasahiranana, zavatra samihafa mamatotra anao ka tianao hovahan’i Jesoa. Araho Jesoa amin’izay halehany, ary aza misaraka Aminy na ho amin’ny mora na ho amin’ny sarotra. Ary manaova toa azy roa lahy ireto, mangataha famindrampo amin’i Jesoa fa hanafaka anao amin’izay mamatotra anao tokoa Izy.

  1. Nino ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa izy ireo (and 28,29)

« Dia nanatona Azy ireo jamba; ary hoy Jesoa taminy: Mino va ianareo fa mahay manao izany Aho? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko. 29 Dia nanendry ny masony Izy ka nanao hoe: Tongava aminareo araka ny finoanareo »

Ity fanontanian’i Jesoa tamin’izy mirahalahy ity dia midika hoe : ekenareo ve ny maha-Andriamanitra Ahy. Aoka mantsy tsy hohadinoina fa Andriamanitra irery ihany no afaka mamindra fo, izany hoe mamela heloka. Ny filazantsara nosoratan’i Matio rahateo dia nametraka ho tanjona ny haneken’ny Jiosy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy. Rehefa neken’izy mirahalahy ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa dia sitrana izy ireo, afaka tamin’ny hanjambana.

Io fanontanin’i Jesoa io koa dia midika hoe : mino ve ianareo fa manana ny hery sy ny fahefana rehetra afaka mamaha izay mamatotra anareo Aho. Misy tranga tokoa mantsy eo amin’ny fiarahamonina tsy misy afa-tsy ny Tompo Andriamanitra irery ihany no mahavita mamaha azy. Rehefa nanaiky izy roa lahy, rehefa nino izy roa lahy dia afaka tamin’izay nahajamba azy.

Amintsika izay mamaky ny Filazantsara ankehitriny, iza moa Jesoa amintsika ? Manana ny hery ny fahefana rehetra tokoa ve Izy amintsika ka na inona na inona mamatotra antsika dia hain’i Jesoa ny mamaha izany ? Sao sanatria mbola ferantsika ny fahefan’i Jesoa, ka manao toy ny olona sasany isika, tsy miantehitra tanteraka amin’ny herin’i Jesoa.

Ho ento eo amin’i Jesoa avokoa izay rehetra mamatotra antsika, ekeo ny maha-Andriamanitra manana ny hery sy ny fahefana rehetra Azy fa antoky ny fahafahantsika amin’izay mamatotra antsika izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.