Mofon’aina – ALAROBIA 05 APRILY 2017

13 Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa hianao dia mitsangana eo anatrehan’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Alefaso ny oloko hanompo Ahy14 Fa ankehitriny izao dia halefako ny areti-mandringana rehetra avy atỳ Amiko hamely ny fonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka Ahy amin’ ny tany rehetra.15 Fa ankehitriny, raha izay Aho no naninjitra ny tanako hamely anao sy ny vahoakanao amin’ ny areti-mandringana, dia efa fongotra tamin’ ny tany ianao.16 Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.17 Mbola mirehareha amin’ ny oloko ihany va ianao ka tsy handefa azy?18 Indro, rahampitso toy izao dia hampilatsaka havandra be dia be Aho, izay tsy mbola nisy toy izany teto Egypta hatramin’ ny andro nisiany mponina ka mandraka ankehitriny.19 Koa ankehitriny, maniraha mba hanangona faingana ny bibinao sy izay rehetra anananao any an-tsaha; fa ny olona rehetra sy ny biby fiompy izay ho hita any an-tsaha ka tsy ho enti-mody dia hilatsahan’ ny havandra ka ho faty avokoa.
EKSODOSY 9 :13-19

MAMONJY  NY OLONY ANDRIAMANITRA

1-Mahery  amin’ny teniny Andriamanitra

Alefaso ny oloko  handeha, hoy ny Tompo. Ampitain’i Mosesy amin’i Farao izany. Andriamanitra  rehefa  miteny  dia misy asa tanterahany. Teny manafaka ny teniny, ka avantana  amin’ny mpampahory sy ny mpanandevo  ny vahoakan’ Andriamanitra. Mahery  amin’ny famindrampo  ny Tompo , tsy mandringana avy hatrany  ny Egyptiana  Izy fa miala nenina aminy (and15).

2-Mahery  amin’ny asany Andriamanitra

Mandahatra sy manantanteraka ny asany  amin’ny fotoanany  ny Tompo.Toy izao  no handaharany  ny asany ; miteny  sy mananatra ary mampianatra Izy (and 16) , manambara  sy mampiomana ny amin’izay hataony (and 14), miala  nenina sy mamindra fo  amin’ny maditra  sy ny mafy fo ary ny tsy mino (and16). Manambara  izany  fa manome fotoana hibebahana  sy hialana nenina amin’ny mpanota Izy, mba tsy ho lany ringana  ny olombelona .

3-Tompon’ny fahefana rehetra Andriamanitra

Tsy an’ny mpabjaka ny fahefana sy ny hery fa an’ Andriamanitra .Izy no mametra ny mpabjaka amin’ny fahefany  (and 16) mba hahafantarany  fa i  Jehovah no Andriamanitra. Mifehy  sy manapaka izao rehetra izao  na ny hita  na ny tsy hita : ny andro  ho avy  , ny havandra.Fahefana  sy hery  mamindra fo  ny herin’ny Tompo .Mamindra fo  sy miantra  ny mafy fo. Fianarana ho antsika zanak’ Andriamanitra izany.

Fanontaniana:

Miasa ho amin’ny inona ny fahefana anananao?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !