MOFON’AINA ALAROBIA 05 DESAMBRA 2018

43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesoa, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.45 Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesoa, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.47 Jesoa nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Ianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.50 Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ ny Zanak’ olona.
JAONA 1 : 43-51

TIA ANAO NY TOMPO KA

1- Miantso anao ho mpianany

Hita eto ny niantsoan’i Jesoa an’i Filipo sy Natanaela ho isan’ny mpianatra. Tsy mijanona teo izany fa nanome baiko ireo 12 lahy Izy ka niteny hoe: « ataovy mpianatra ny firenena rehetra » (Mat 28, 19). Fahasoavana lehibe ho antsika ny antson’ny TOMPO manokana ho amin’ny fanompoana, ny ahafahantsika mianatra sy mandalina Soratra Masina ary indrindra ny hiainana izany isan’andro. Ankehitriny dia tsy mitsahatra mbola miantso olona ho mpiara-miasa aminy ny Tompo. Ny fanatanterahana izany ampifaliana dia endrika iray ahafahana maneho ny fanekena sy fankatoavana ny antso sy ireo andraikitra ankininy amintsika.

2- Fantany ianao

« Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka And. 47 … fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao » (And 48). Ny Tompo no manao dingana voalohany amin’ny fiantsoana. Ny fanoloran-tena asehontsika dia efa dingana ato afara ihany, valin-teny amin’ny antso sy ny fitiavany antsika. Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha (1 Jao 4: 19). Tandremo ny mihevitra ny Tompo ho toy ny tsy mahalala na inona na inona. Alaviro ny fanahiana amin’izay fahasoavana onianiny ho anao. Fantany aho,fantany ny hetahetako, fantany ny zava- misy hiainako, fantany antsipirihany hatramin’ny madinika indrindra.

Fanontaniana:
Inona no nahatonga an’i Natanaela nanao hoe: Raby ò, Ianao no Zanak’Andriamanitra; lanao no Mpanjakan’ny Israely? (and 49).

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !