Mofon’aina – ALAROBIA 06 DESAMBRA 2017

1 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indro, nisy varavarana nivoha tany an-danitra; ary ilay feo voalohany izay efa reko dia tahaka ny an’ ny trompetra niteny tamiko hoe: Miakara atỳ, dia hasehoko anao izay zavatra tsy maintsy ho avy rahatrizay.2 Ary niaraka tamin’ izay dia voatsindrin’ ny Fanahy aho; ary indro seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra, ary nisy Anankiray nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.3 Ary ny tarehin’ ilay nipetraka dia tahaka ny vato jaspy sy karneola; ary avana mitarehin’ emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana.4 Ary manodidina ilay seza fiandrianana iray dia nisy seza fiandrianana efatra amby roa-polo; ary teo ambonin’ ireo seza fiandrianana ireo dia nisy loholona efatra amby roa-polo nipetraka, nitafy fitafiana fotsy sady nisatroka satro-boninahitra volamena.5 Ary nisy helatra sy feo ary kotrokorana nivoaka avy tamin’ ny seza fiandrianana; ary nisy jiro fito nirehitra teo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia Fanahy fiton’ Andriamanitra ireo.6 Ary teo anoloan’ ny seza fiandrianana dia nisy toa ranomasina fitaratra tahaka ny vato krystaly; ary teo afovoan’ ny seza fiandrianana sy manodidina azy nisy zava-manan-aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy ny ivohony.7 Ary ny zava-manan-aina voalohany dia tahaka ny liona, ary ny zava-manan-aina faharoa dia tahaka ny zanak’ omby, ary ny zava-manan-aina fahatelo dia manana tava tahaka ny tavan’ olona, ary ny zava-manan-aina fahefatra dia tahaka ny voromahery manidina.8 Ary ny zava-manan-aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masina, Masina, Masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
APOKALYPSY 4 :1-8

MANOKATRA  NY LANITRA I JESOA KRISTY

1-Mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany  mandrakizay  i  Jesoa  Kristy.

Famirapiratan’ny  voninahiny   sy ny  fahasoavana ary  ny  fitsarany  ny endriny  (and 3). Izy  no  miantso  an’i  Jaona Apostoly  hiakatra any  an-danitra  sy nampiseho ny zavatra  tsy maintsy  ho avy  rahatrizay  ary  mampanoratra  izany .Fahefan’i Jesoa Kristy  no manome  ny teny  faminaniana sy miantso  ny olona hiakatra any aminy rehefa  avy nanokatra ny lanitra Izy ( jereo  Ezek 1 :1; Mat 3 :16 ;  Asa 10 :56) . Izay  nambaran’i Jesoa dia tsy maintsy  ho tanteraka. Antsoin’i Jesoa Kristy  any aminy  ireo  tiany  sy nofidiny.

2-Manome voninahitra an’i Jesoa ny  voavonjy  

Manodidina  an’i Jesoa Kristy « Ilay Tompo  Andriamanitra  Tsitoha , Ilay taloha  sy ankehitriny ary ho avy »  ny olom-boavonjy  araka  ny Testamenta vaovao . Any  amin’izay  itoeran’i Jesoa Kristy no  itoeran’izy ireo  sady « hiara-manjaka Aminy » (and 4; Jao 14 :3 ; 17 :24 ; 2 Tim 2 :12) . Efa notafian’ny Tompo  fitafiana sy nampisatrohana voninahitra ireo .Miombona  ao amin’i Kristy ny olom-boavonjy  ary ny Fanahy Masina dia ny Fanahin’ Andriamanitra  no mampiaina  ao  amin’ny fanjakan’i Kristy. Manodidina an’i Kristy ny fiangonana any an-danitra tahaka ny anjely  serafima (Jereo Isaia 6 :2). Midera sy manome  voninahitra ary  miray  feo  ka miankohoka  amin’Ilay  Tompo  Mpamonjy  azy izy rehetra. Tohizo  ny fanompoanao  ny Tompo fa tsara  izany.

Fanontaniana:

Inona no tombotsoan’ny  mpino  an’i Jesoa Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !