MOFON’AINA ALAROBIA 06 MAY 2020

26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray, dia ny Fanahin’ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27 Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria hianareo efa teto amiko hatramin’ny voalohany.
JAONA 15 : 26,27

NY FANAHY MASINA MIASA AO AMIN’NY FIANGONANA

Ny Jaona 15 dia iresahan’i Jesoa fa tsy misy afaka manao na inona na inona raha toa ka tafasaraka amin’i Jesoa izay foto-boaloboka izy. Zava-dehibe koa eo amin’ny fiombonan’ny Apostoly ny fifankatiavana satria hisy ny fanenjehana. Mila miombom-piainana amin’i Jesoa arak’izao sady miombona sy mifankatia tsara. Fa mifarana amin’ny filazan’i Jesoa fa haniraka ny Fanahy Masina amin’ny Mpianatra ity Jaona 15. Hirahin’i Jesoa ho eo amin’ny mpianatra ny Fanahy Masina, na hirahin’i Jesoa eo amin’ny fiangonana ny Fanahy Masina satria asan’ny Fanahy Masina ny

  1. Mananatra (and 16)

« Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ny Ray »

Ny hoe mananatra dia azo avy amin’ny fototeny hoe anatra. Ny hoe anatra dia ambaran’ny rakibolana Malagasy hoe « torohevitra » na « toromarika mahasoa » na koa « torolalana tsara ho enti-mitondra ny fiainana ». Eo amin’izay hijoroan’ny mpianatra ho vavolombelon’i Jesoa arak’izao dia adidin’ny Fanahy Masina, asan’ny Fanahy Masina ny manoro hevitra azy ireo. Mpanolo-tsaina ny Apostoly arak’izao ny Fanahy Masina ny amin’izay hampahomby tsara ny fijoroany vavolombelona. Ambaran’i Jesoa fa Fanahin’ny Fahamarinana ny Fanahy Masina, izany hoe te hiteny amin’ny Apostoly Jesoa fa izay toromarika, izay torolalana, izay tolo-tsaina omen’ny Fanahy Masina dia marina ka hampahomby ny fijoroan’ny Apostoly ho vavolombelona.

Ny Fanahin’Andriamanitra nanolo-tsaina sy nanome toromarika mahasoa tamin’ny andron’ny Apostoly koa no mbola manolo-tsaina sy manome toromarika antsika fiangonana kristianina mijoro vavolombelona ankehitriny. Marina ny tolo-tsaina ka izany hatrany no hampahomby ny fijoroana vavolombelona tanterahintsika amin’ny fotoana ankehitriny. Meteza hotarihin’ny Fanahy Masina ka raiso arak’izao ny toromarika marina, ny tolo-tsaina mahasoa avy Aminy.

  1. Manampy (and 26,27)

« Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. 27 Ary hianareo koa dia vavolombelona hanambara »

Ny hoe vavolombelona dia Ilay nahita masoIlay afaka milaza amin’ny an-tsipiriany izay hitany. Ny Fanahy Masina dia tena vavolombelon’i Jesoa satria afaka milaza amin’ny an-tsipiriany farany izay bitika indrindra ny momba an’i Jesoa. Paoly omaly dia nilaza fa ny Fanahy Masina no afaka manambara izay nomen’Andriamanitra (1 Kor 2 : 12). Ny fanambaran’ny Fanahy Masina momba an’i Jesoa no marina indrindra. Fanahin’i Jesoa rahateo tokoa mantsy ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina izay manambara an’i Jesoa no hitoetra ao amin’ny Apostoly ka hanamarina aloha izay fanambaran’ny Apostoly koa momba an’i Jesoa. Tsy tokony hohadinoina fa ny Apostoly dia tena vavolombelon’i Jesoa noho izy ireo niara-niaina tamin’i Jesoa (temoins occulaires). Nampian’ny Fanahy Masina anefa izy ireo mba ho sahy hanambara marina, eo anatrehan’ny fanenjehana, ny zavatra hitany momba an’i Jesoa. Raha tsy eo ny asan’ny Fanahy Masina tsy ho sahy hanambara marina ny amin’i Jesoa izy ireo.

Rehefa nahazo ny herin’ny Fanahy Masina ireto mpianatra dia tena nanambara marina ny amin’i Jesoa. Jaona manokana ohatra dia nanana fahasahina nanoratra hoe: «1 Izay hatramin’ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ny tananay, dia ny amin’ny Teny Fiainana 2 (fa efa naseho ny fiainana, ary efa nahita azy izahay, dia tonga vavolombelona ka manambara aminareo ny fiainana mandrakizay, izay tao amin’ny Ray ka efa naseho taminay),- 3 izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ny Ray sy amin’i Jesosy Kristy Zanany » (1 Jaona 1 : 1-3).

Hanana fahasahiana koa isika fiangonana Kristianina ankehitriny, hijoro hanambara marina ny amin’i Jesoa, noho ny fanampiana sy ny asan’ny Fanahy Masina eo amintsika. Ankatoavy arak’izao ny fitarihan’ny Fanahy Masina, meteza hampiany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.