Mofon’aina – ALAROBIA 06 SEPTAMBRA 2017

12 Ry malala, aza gaga noho ny fizahan-toetra mahamay izay mahazo anareo ho fitsapan-toetra, ary aza atao ho zavatra mahagaga manjo anareo izany,13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’ i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ ny fisehoan’ ny voninahiny koa.14 Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran’ i Kristy, fa ny Fanahin’ ny voninahitra, dia ny Fanahin’ Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.15 Fa aoka tsy hisy eo aminareo hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpiraharaha ny an’ olona.16 Fa raha misy mijaly satria Kristiana, dia aoka tsy ho menatra izy; fa aoka hankalaza an’ Andriamanitra amin’ izany anarana izany izy.17 Fa tonga ny andro hiantombohan’ ny fitsarana hatrao amin’ ny ankohonan’ Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’ izay tsy manaiky ny filazantsaran’ Andriamanitra?18 Ary « raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan’ ny ratsy fanahy sy ny mpanota? ».19 Koa izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’ Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’ ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.
I PETERA 4 :12-19

Tao anatin’ny fanenjehana sy ny fijaliana mahamay ireo Kristiana voalohany izay niaina rahateo teo ambany fanenjehan’ireo Amperora romana nifandimby nandritra ny taonjato maro, ary dia tao anatin’izay indrindra no nampaherezan’i Petera Apostoly azy ireo mba hijoro hatrany ho :

1-Vavolombelona miaritra fahoriana (and 12)

Noho ny fizahantoetra mahamay, niharan’ny fampijaliana mafy ara-batana ireto Kristiana voalohandohany ireto : fanagadrana, karavasy, nampiadiana tamin’ny bibidia, na nomena ho sakafon ‘izyvireny sns. Kanefa dia asaina miaritra satria tsy menatra ny ho vavolombelon’ny Tompo. Ary na ny teto madagasikara koa aza dia iarahantsika mahalala ny fanenjehana nataon’ny Mpanjaka RANAVALONA I, (Izay nanjaka nanomboka ny taona 1828), fandefonana, torabato, kanefa dia sahy nijoro hatramin’ny farany ireo maritiora toa an-dry RASALAMA. Satria efa nomanin’ny Tompo Jesoa ny amin’izany izy, tahaka antsika koa ankehitriny.

Fa ny mahavariana na dia miaritra fahoriana aza ny vavolombelona dia lazaina fa :

2- Vavolombelona mahazo fahasambarana(and 14)

Toa mifandaka ireo andininy roa ireo raha jerena maimaika, kanefa izay mihitsy no hanazavan’ny soratra Masina azy : ao anaty fahoriana nefa manjary manana fiadanana. Ny fanoharana raisin’i Kristy dia ny vehivavy tena mijaly sy sahirana rehefa mihetsi-jaza, kanefa kosa dia feno fifaliana sy fahasambarana kosa rehefa mahazo ilay menaky ny ainy. Misy fotoana hampijalian’ny olona : mety ara-batana eo fa mety ara-tsaina, ara-bola … ny vavolombelona, fa matokia ny Tomponao.

Fanontaniana:

Efa mba nijaly noho ny fijoroana ho vavolombelona ve ianao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !