MOFON’AINA ALAROBIA 07 AOGOSITRA 2019

14 Ary nony tonga teo amin’ny mpianatra izy, dia nahita vahoaka betsaka manodidina azy sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15 Ary niaraka tamin’izay, nony nahita Azy ny vahoaka rehetra, dia talanjona ka nihazakazaka nanatona sy niarahaba Azy. 16 Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ireto? 17 Ary ny anankiray tamin’ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho ety aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; 18 ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihinjitsinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka; ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy. 19 Ary Jesoa namaly azy hoe: Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesoa izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy. Dia lavo tamin’ny tany izy sady nitsinkasinkasina sy nandoa vory. 21 Ary Jesoa nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza. 22 Ary nazerany matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy; fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay. 23 Fa hoy Jesoa taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. 24 Ary niaraka tamin’izay dia niantsony rain-drazazalahy ka nanao hoe: Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako. 25 Ary nony hitan’i Jesoa fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. 26 Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy, dia nivoaka taminy; ary efa toy ny maty, ka dia nataon’ny maro hoe: Maty. 27 Fa Jesoa nandray ny tànany ka nanarina azy; dia nitsangana izy. 28 Ary rehefa tonga tao an-trano Jesoa, dia nanontany Azy mangingina ny mpianany hoe: Izahay tsy nahavoaka azy. 29 Ary hoy Izy taminy: Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany.
MARKA 9 : 14-29

NY FOMBA HO ENTI-MANDRESY NY DEMONIA

Fitantarana ny tsy fahombiazan’ny mpianatra izao mofonaina izao ka nahatonga an’i Jesoa nampianatra azy ireo fa misy karazan-demonia miavaka izay mila fomba fiasa miavaka. Eto amin’izao mofonaina izao koa anefa dia aseho fa rehefa miasa Jesoa dia mandresy mandrakariva ny demonia Izy.

  1. Tsy ampy ny maha-mpianatra fotsiny (and 17,18)

« ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany; fa tsy hainy »

Nambaran’ny rain’ilay nanana demonia fa tsy hain’ny mpianatr’i Jesoa ny nandresy ilay demonia. Ny filazana fa noentina teo amin’ny mpianatra dia fanambarana fa noho ny maha-mpianatr’i Jesoa azy ireto no nitondrana azy teo amin’izy ireo. Aseho avy amin’izao arak’izany fa tsy ampy fotsiny ny maha-mpianatry ny Tompo ho enti-mandresy ny demonia. Tsy ny maha-mpianatra no handresena ny demonia fa izay fiombonana tanteraka amin’i Jesoa Kristy ilay manana ny hery handresena ny demonia.

  1. Ampanatony an’i Jesoa ny olona (and 19,20)

« Ento ety amiko izy. 20 Dia nentiny teo aminy izy; fa nony nahita an’i Jesosy izy, dia nampifanintontsintona ny tenany niaraka tamin’izay ny fanahy »

Fomba tena mahomby ho enti-mandresy ny demonia ny fanatonana an’i Jesoa. Izany no nahatonga an’i Jesoa nibaiko hoe Ento ety Amiko izy. ny fanatonana an’i Jesoa mantsy dia manana heviny roa:

– tena fanatonana an’Andriamanitra ilay Mahery manana ny hery sy fahefana ho enti-mandringana ny demonia.

– Ny fanatonana an’i Jesoa koa dia endriky ny fialàna amin’ny ratsy ka manatona ny tsara, miala amin’ny haizina ho amin’ny fahazavana lehibe.

Izay tonga eo amin’ny Jesoa dia mahazo hery handresy ny demonia, izay tonga eo amin’i Jesoa dia tafala tamin’ny herin’ny maizina ho amin’ny herin’ny mazava.

  1. Ny hery sy ny fahefan’i Kristy (and 25-27)

Rehefa tonga teo amin’i Jesoa ilay lehilahy dia notenenin’i Jesoa mafy ny demonia ka rehefa avy nanampatra ny heriny farany tamin’ilay lehilahy dia niala taminy. Te hampiseho antsika izay mamaky ny Filazantsara Marka fa tena manana ny hery sy ny fahefahan’Andriamanitra ho enti-mandresy ny demonia tokoa Jesoa. Ny herin’ny teniny – izay herin’ny tenin’Andriamanitra no nandroahany izany tao amin’ilay lehilahy. Izany no mahatonga antsika PROTESTANTA manorina ny zavatra rehetra amin’ny alalan’ny herin’ny tenin’Andriamanitra.

  1. Ny fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra (and 27,28)

Rehefa nanontany an’i Jesoa ny mpianatra ny amin’ny anton’ny tsy fahombiazany dia nambaran’i Jesoa fa iny karazany iny dia tsy resy raha tsy amin’ny vavaka sy fifadian-kanina. Ny vavaka sy fifadian-kanina anefa dia tsy azo adinoina fa tena fomba iray hifandraisana bebe kokoa amin’Andriamanitra. Koa izay lavitra ny Tompo dia tsy hahomby mandrakariva ary tena ho afa-baraka mandrakariva amin’ny asa fanompoany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.