Mofon’aina – ALAROBIA 07 JONA 2017

5 Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Ianao?6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho atỳ aminareo Izy.8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;10 ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;11 ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
JAONA 16 :5-11

ILAY MPANANATRA HIRAHIN’I JESOA KRISTY

Handao  ny  mpianatra  ny Tompo. Mampanantena  ny haniraka ny mpananatra  ho eo amin’ny mpianany Izy .

1-Miasa  eo amin’ny fiainan’ny mpianatra 

Antsoina  hoe: « mpananatra »  eto ny Fanahy Masina izay hirahin’i Jesoa Kristy  ho  eo amin’ny mpianatra. Ny Mpananatra  izay azo adika  ihany koa hoe: mpampianatra , mpampahery , solo-vava. Azo lazaina  fa na dia  handao  ny mpianatra aza ny Tompo  dia tsy  mamela  azy ireo ho irery izy. Ny fanirahany ny Fanahy  Masina  dia mampiseho  fa tena akaiky, monina  eo  amin’ny fiainan’ny mpianany Izy. Izy ihany amin’ny alalan’ny Fanahy Masina nomeny no tohana  sy hery ho an’ny mpianatra amin’ny fanohizana  ny asany.

2-Miasa  eo  amin’ny fiainan’izao tontolo izao 

Rehefa  miasa  sy mitarika ny Fanahy Masina  dia hihavao  ny fiainan’izao tontolo izao. Miasa  amin’ny fiainan’izao tontolo izao  tokoa mantsy  izany mpananatra izany. Ho tsapan’izao tontolo izao  ny maha- mpanota  azy noho    izy ireo  tsy nanaiky, tsy nino an’ i Jesoa Kristy. Ho  fantany  ny asan’ Andriamanitra tao amin’i Jesoa  ny rehetra. Eny, ho tsapan’ireo  izay tsy nino  an’i Jesoa Kristy ihany koa fa ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty  dia faharesena  ho an’izao tontolo izao  sy ny asa ratsiny .Tsarovy fa te-hanavao ny fiainanao ny Tompo.

Fanontaniana:

Manao ahoana  ny fiainan’ny olona manaiky  ny asan’ny Fanahy Masina ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !