Mofon’aina – ALAROBIA 08 AOGOSITRA 2018

47 Ary raha mbola niteny Jesoa, indro, avy Jodasy, izay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, mbamin’ ny vahoaka betsaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona.48 Ary ilay namadika Azy nanome famantarana ny olona ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy.49 Ary niaraka tamin’ izay dia nanatona an’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Finaritra, Raby! dia nanoroka Azy.50 Fa hoy Jesoa taminy: Ry sakaiza, ataovy izay nalehanao eto. Dia nanatona ny olona ka nisambotra an’ i Jesoa ary nitana Azy.51 Ary, indro, ny anankiray tamin’ izay nomba an’ i Jesoa naninjitra ny tànany, dia nanatsoaka ny sabany ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny.52 Fa hoy Jesoa taminy: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ ny sabatra.53 Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?54 Raha izany, dia hatao ahoana no hahatanteraka ny Soratra Masina, izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izany?55 Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesoa ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan-andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.56 Fa izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay voasoratry ny mpaminany. Ary tamin’ izany dia nandao Azy ny mpianatra rehetra ka nandositra.
MATIO 26:47-56

MIATRIKA NY FISAMBORANA NY TENANY I JESOA KRISTY

1-Amin’ny alalan’ny teniny i Jesoa Kristy

Tonga ny mpisambotra an’i Jesoa izay notarihan’i Jodasy. « Mitsangàna, andeha isika, indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy. » hoy ny Tompo (and. 46). Manatona an’i Jesoa ilay sady mpianatra no fahavalony. Miatrika ny fahavalony amin’ny teniny ny Tompo : « Ry sakaiza ataovy izay nalehanao eto » (and. 50), hoy Izy tamin’i Jodasy, iraka mitarika ny mpisambotra Azy. Mahery ny tenin’ny Tompo handresena ny herisetra sy ny tsy fahamarinana. Tsy mafy araka izay niheveran’ny mpisambotra azy ny fifanandrinana tamin’i Jesoa ,tsy ady amin’ny nofo sy ny herim-batana ny an’i Jesoa. Ampy hitondra fandresena sy filaminana ny teniny : « Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao » (and. 52), hoy Izy tamin’i Petera.

2-Manatanteraka ny Soratra Masina i Jesoa Kristy.

Vonona ho amin’ny fisamborana Azy ny Tompo noho ny tenin’Andriamanitra. Tsy miaro tena hiala amin’ny fahoriana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy Tompo. Tsy mampiasa hery sy ny fahefany ny Tompo, na dia manana anjely toy ny tafika roambinifolo legiona azony irahina aza (and. 53). Tsy zava-dehibe amin’ny Tompo ny hanavotra sy hamonjy ny ainy fa ny hanolotra izany mba hanavotany ny very. Nialan’i Jesoa Kristy ny fifandonana mba hahatanteraka ny fanirahana Azy, araka izay voasoratra. Sambatra izay mahatsiaro ny antony sy ny tanjona kendren’ny Tompo amin’ny fanirahana atao aminy.

Fanontaniana :

Ahoana no fiainana sy fampiasa ny tenin’i Jesoa Kristy hiatrehana izao tontolo izao miharatsy ankehitriny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !