MOFON’AINA ALAROBIA 08 APRILY 2020

Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ny miseho* ihany, fa tsy amin’ny fo.[*Grika: tava] 13. Fa raha very saina izahay, dia ho an’Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo. 14. Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay, satria izao no hevitray: maty ny Anankiray hamonjy ny olona rehetra, ka dia maty koa izy rehetra; 15. ary maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy.
2 KORINTIANA 5 : 12-15

KRISTIANINA VOATERIN’NY FITIAVAN’I KRISTY

Hoy Paoly eo amin’ny and 14 hoe: « fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay ». Ireto no hevitr’izany

  1. Ny fitiavan’i Kristy no manentana anay

Rehefa manatanteraka ny asa fanompoana an’Andriamanitra Paoly dia mahatsiaro fa ny antony mahatonga azy hanao izany dia ny fitiavan’i Kristy. Hery manosika azy hiasa ho an’Andriamanitra io fitiavan’i Kristy io. Tiany Jesoa dia miasa sy manompo Azy Paoly. Tsapan’i Paoly, hitan’i Paoly fa anisan’izay nahatonga an’i Jesoa hanompo an’Andriamanitra ny fitiavany an’Andriamanitra. Tian’i Jesoa Andriamanitra Rainy dia nanompo Azy Izy. Tian’i Paoly koa Jesoa dia voahentan’izay fitiavana Azy izay koa Paoly ka manompo Azy. Mampianatra antsika Paoly fa antony iray hanompoana an’Andriamanitra ny fitiavana an’i Jesoa, antony iray hanompoana eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra ny fitiavana. Na iza na iza mahatsiaro ho tia an’Andriamanitra, na iza na iza mahatsiaro ho tia an’i Jesoa. Ny fanompoana Azy no endrika hita maso hanehoana izany. Izay manam-pitiavana dia manana anjara fanompoana. Tiako ny mampahatsiaro antsika mandrakariva fa ny fitiavana an’Andriamanitra dia tsy zavatra tenenina fotsiny fa aseho sy porofoina amin’ny asa.

  1. Tsara kokoa ny asa fanompoana atao amin’ny fitiavana

Samy manana izay antony hanompoany an’Andriamanitra ny olona rehetra. Ny an’i Paoly manokana dia noho ny fitiavany an’i Kristy izany. Dia tena hita ho niavaka tokoa izany fanompoany an’Andriamanitra izany. Lasa tonga tsy nahajery tena intsony Paoly noho io fitiavan’i Kristy io. Tonga niavaka tanteraka izy tamin’ny fanompoany satria raha ny toerana voatetiny fotsiny nitoriana ny filazantsara, dia tena nahatety toerana maro tokoa izy. Raha ny olona noreseny lahatra handray ny famonjena dia maro no resy lahatra. Raha ny fiangonana najorony dia maro tokoa. Tonga miavaka amin’ny olona rehetra ny olona mahatsiaro tia an’i Kristy rehefa miasa ho Azy. Ilay hery manentana (fitiavan’i Kristy) no mampiavaka ilay asa fanompoana.Na iza na iza tia an’i Kristy dia tokony hiavaka koa ny fanompoany an’i Kristy. Tsara kalitao kokoa raha mitaha amin’ny hafa ny fanompoany, be lavitra kokoa noho izay vitan’ny hafa ny asa ataony. Noho ny fitiavan’i Kristy dia tonga tiany handray ny famonjena avokoa ny olona rehetra ka mikely aina amin’izany izy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.