MOFON’AINA ALAROBIA 08 JANOARY 2020

24 Dia nitangoronan’ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa hianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, 28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako. 29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ny tànan’ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany
JAONA 10 : 24-30

JESOA KRISTY NO MESIA

Milaza amin’i Jesoa ireo Jiosy manodidina Azy eto amin’izao mofonaina izao fa mampisalasala azy ireo Jesoa momba ny amin’ny maha-Mesia Azy. Amin’ireo Jiosy dia tokony hilaza mazava amin’izy ireo Jesoa raha Izy marina no Mesia. Namaly izany Jesoa ka nilaza fa efa nilaza ny tenany tamin’izy ireo ho Mesia, kanefa tsy ninoan’izy ireo. Eto amin’izao mofonaina izao dia mbola manamafy ny maha-Mesia Azy Jesoa. Mesia Jesoa ka

  1. Ny teniny sy ny asany no manambara izany (and 25)

« Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy nino hianareo; ny asa izay ataoko amin’ny anaran’ny Raiko no manambara Ahy »

Zavatra roa araka ny tenin’i Jesoa no manambara mazava ny maha-Mesia Azy :

a- Ny teniny : ny teny rehetra ambaran’i Jesoa dia maneho sy manambara ny maha-irak’Andriamanitra hamonjy izao tontolo izao Azy.

b- Ny asany : ireo asa fanafahana, famonjena, fanasitranana, sns… dia samy manambara avokoa ny maha-irak’Andriamanitra an’i Jesoa hamonjy izao tontolo izao.

Tsy ampy tamin’ny Jiosy ny teny nataon’i Jesoa ho enti-milaza ny maha-Mesia Azy. Tsy nekeny rahateo izany. Dia niezaka ihany Jesoa naneho ny maha-Mesia Azy tamin’ny asa nataony. Kanefa mbola tsy ninoan’izy ireo ihany izany. Rehefa namoaka demonia aza moa Jesoa, asan’ny Mesia izany dia lazain’ny Jiosy fa namoaka izany tamin’i belzeboba. Rehefa tsy hino izay ny olona dia tsy hino izy na inona na inona atao. Fa izao, isika dia handeha hanaiky ny maha-Mesia an’i Jesoa noho ny teniny sy noho ny asany izay voatantara ao amin’ny Soratra Masina.

  1. Mihaino ny feony sy manaraka Azy ny ondriny (and 27)

« Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy »

Ny maha-ondrin’i Jesoa antsika dia noho isika mihaino ny feony sy manaraka Azy. Mariky ny fifamatoran’aina eo Aminy sy isika ondriny izany. Mifankafantatra tsara mantsy ny mpiandry ondry sy ny ondry tandremany. Ary io fifakafantarana io no mampifamatotra aman’aina ny mpiandry amin’ny ondry. Tena zava-dehibe io fahaiza-mihaino ny feon’ny mpiandry io satria miantoka ny fahaveloman’ny ondry izany. Ho very mantsy ny ondry tsy mahay mihaino tsara ny mpiandry azy. Amin’ny maha-ondrin’i Jesoa antsika dia handeha hatao ho zava-dehibe ny fihainoana Azy, handeha atao ho laharam-pahamehana mihitsy izany satria miantoka ny fahaveloman’ny ondry. Izay mahay mihaino tsara ny mpiandry no hahay hanaraka azy amin’izay toerana hitondrany azy. Henoy tsara Jesoa ka araho tsara Izy.

  1. Manome fiainana mandrakizay Izy (and 28)

« ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ny tànako »

Toerana iray izay hitarihan’i Jesoa antsika ny fiainana mandrakizay. Isika ondriny izay mihaino ny feony no tarihiny ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Ary raha ny marina, tsy hoe tarihiny fa tena omeny fiainana mandrakizay. Teôlôjia matanjaka ao amin’i Jaona Mpanoratra ny Filazantsara ity Jesoa manome fiainana mandrakizay ity. Koa izay rehetra manaiky ny maha-Mesia Azy no mahazo izany. Tombontsoa iray zarain’i Jesoa amin’ny maha-Mesia Azy ny fiainana mandrakizay, ary ny olona rehetra no afaka misitraka izany. Tsy misy na iza na iza hoy Jesoa afaka manaisotra izany fiainana mandrakizay zarainy izany ao amin’izay rehetra mahazo izany.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.