MOFON’AINA ALAROBIA 09 JONA 2021

20 Ary nony maraina, raha nandalo izy, dia hitany fa efa nalazo hatramin’ ny fakany ilay aviavy.21 Ary Petera nahatsiahy ka nanao taminy hoe: Raby ô, indro fa efa malazo ilay aviavy nozoninao.22 Ary Jesoa namaly ka nanao taminy hoe: Manàna finoana an’ Andriamanitra.23 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ity tendrombohitra ity hoe: Mifindrà, ka mianjerà any an-dranomasina, ka tsy hiahanahana ao am-pony, fa hino fa ho tonga ny zavatra lazainy, dia ho azony izany.24 Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin’ ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.
MARKA 11 :20-24

MIVAVAKA SY MINO

Mampianatra I Jesoa fa rehefa mivavaka dia tsy maintsy arahina finoana izany. Raha miahanahana isika rehefa mivavaka dia tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mangataka kosa anefa isika sady mino dia tonga izay angatahina. Izay mivavaka sady mino dia:

1- Mahatanteraka izay lazainy (and 20)

Rehefa niteny i Jesoa dia tonga nalazo ilay aviavy. Andriamanitra tokoa Jesoa ka manana hery sy fahefana hahatanteraka izay nolazainy. Tena natoky an’Andriamanitra rahateo izy, tsy mba hita ho nisalasala. Lojika raha toa ka tanteraka avokoa ny zavatra rehetra noteneniny. Tsy vao teto akory no nahitana izany, fa izay rehetra notenenin’i Jesoa ao amin’ny Filazantsara dia notanterahin’Andriamanitra rahateo, ary ara-dalàna raha tanteraka izay noteneniny.

2- Mahazo valim-bavaka (and 24)

Rehefa mangataka isika dia tsy mahazo misalasala. Ny fisalasalana mantsy dia mariky ny tsy fahatokiana an’Andriamanitra. Ary raha tsy matoky an’Andriamanitra, tsy hahazo valim-bavaka. Rehefa mivavaka dia zavatra takiana ny finoana, mahazo manantena valim-bavaka avy amin’ny Tompo isika rehefa matanjaka ny finoana. Ny finoana mantsy dia fahatokiana fa tena hamaly vavaka tokoa Andriamanitra. Aza hadinoina fa marina mandrakariva ny Tenin’i Jesoa hoe : « Lazaiko aminareo marina tokoa : Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana… ary na inona na inona no angatahinareo amin’ny fivavahana atao amin’ny finoana dia ho azonareo » (Mat 22 :20,21)

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.