Mofon’aina – ALAROBIA 09 MAI 2018

1 Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan’ ny Tesaloniana, izay ao amin’ Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana.2 Misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin’ ny fivavahanay,3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin’ ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin’ ny fitiavana ary ny faharetanareo amin’ ny fanantenana an’ i Jesoa Kristy Tompontsika eo imason’ Andriamanitra Raintsika;4 fa fantatray, ry rahalahy malalan’ Andriamanitra, ny fifidianana anareo,5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin’ ny fahoriana be mbamin’ ny hafaliana avy amin’ ny Fanahy Masina,7 ka dia tonga fianarana ho an’ ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo.8 Fa avy taminareo no nanenoan’ ny tenin’ ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan’ ny lazan’ ny finoanareo an’ Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony.9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho atỳ aminareo sy ny nialanareo tamin’ ny sampy hiverenana amin’ Andriamanitra mba hanompo an’ Andriamanitra velona sy marina,10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin’ ny maty, dia Jesoa, izay Mpanafaka antsika amin’ ny fahatezerana ho avy.
1 TESALONIANA 1 :1-10

MANDROSOA HO ANY AMIN’NY LALINA

Lohateny  azo omena ity Mofonainantsika   ity izany, mba hahazoana   mitaratra  ny fomba fiasa  sy ny endriky  ny fiaraha-miasa amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra.

1-Miasà  amin’ny finoana

Azo  atao  ny  mahita vokatra  sy fahombiazana rehefa atao amim-pinoana  izay atao.

2-Mikeleza aina amim-pitiavana

Hafa mihitsy  ny fahavitrihana  rehefa  atao am-pitiavana  ny  fanompoana , tsy  mitandro hasasarana.

3-Mahareta amin’ny  fanantenana

Manana lazonady ny  olona  raha  sady manana faharetana izy  no efa manantena sahady ny vokatra andrasany.

4-Fantaro  fa  sarobidy  ny fifidianana anareo

Izany indrindra no hanafaran’ny  Tompo  hoe : « Tano mafy izay anananao  mba tsy hisy haka  ny satroboninahitrao » (Apo 3 :11)

5-Aoka  ho  tonga fianarana ho  an’ny  mino ianao :

Amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana (1 Tim 4 :12).Ankoatry ny  finoana azo avy  amin’ny toriteny  dia ny  fijoroana ho fanasina sy fahazavana amin’ny fiainna andavanandro  no  mitondra  vokatra.

Fanontaniana :

Inona avy  ireo  dingana vitan’ny  mpiara-manompo  aminao  ka mampisaotra  ny  Tompo  sady  nampahery  anao

Ahoana no tokony  hatao  mba hanovana  ireo  zatra manakiana sy mitsikera ny hafa fotsiny ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !