MOFON’AINA ALAROBIA 09 OKTOBRA 2019

6. Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato. 7. Nefa nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ny Isiraely; fa tsy omban’i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’i Efraima rehetra. 8. Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ny ady; fa hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo. 9. Fa hoy Amazia tamin’ilay lehilahin’Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany. 10. Dia navahan’i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ireo tamin’ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra. 11. Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ny taranak’i Seira izy. 12. Ary ny iray alina sisa nataon’ny taranak’i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra. 13. Fa ireo miaramila izay nampodin’i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka. 14. Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’i Seira ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy. 15. Dia nirehitra tamin’Amazia ny fahatezeran’i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ny tananao aza? 16. Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Ianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
II TANTARA 25 : 6-16

NY MPAMINANY

Naniraka mpaminany ho eo amin’i Amazia mpanjakan’ny Joda Andriamanitra raha niady tamin’ny taranak’i Seira izy. In-droa ny Tompo no naniraka mpaminany ho eo aminy. Fanehoana izany fa manolo-tsaina mandrakariva ny mpanjaka ny Tompo. Ireto no hafatry ny tenin’Andriamanitra

  1. Hirahin’Andriamanitra ny mpaminany hanoro hevitra (and 7,8)

« Nefa nisy lehilahin’Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ny Isiraely; fa tsy omban’i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’i Efraima rehetra. 8. Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ny ady; fa hataon’Andriamanitra lavo eo anoloan’ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo »

Raha nikasa hiady tamin’ny fahavalony ny mpanjaka dia efa nanana izay eritreriny sy paikadiny ho enti-mandresy ny fahavalo. Tsy izany paikadiny izany anefa no fomba mahomby ho enti-mandresy mandresy fa izay toromariky ny Tompo. Ny fanarahana io toromariky ny Tompo io no nampahomby tamin’ny ady ka nahazoan’ny mpanjaka fandresena. Mampandresy mandrakariva Andriamanitra ka maniraka mpanompo hanoro hevitra tsara. Ary ny fankatoavana ny mpanompon’Andriamanitra no mitondra ho amin’ny fandresena. Jesoa dia nirahin’Andriamanitra teto amin’izao tontolo izao, izay rehetra manaraka izay lazainy dia mpandresy toa Azy.

  1. Hirahin’Andriamanitra ny mpaminany hananatra (and 16)

« Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro »

Rehefa resin’i Amazia ny fahavalony Dia noentiny nody ny andriamanitry ny firenena resiny. Io andriamani-kafa io indray no notompoiny. Asehon’ny tantara fa mpanjaka maditra izy. Teo anatrehan’izany anefa dia naniraka mpanompo anankiray Andriamanitra nananatra azy. Tsy nohenoiny ny anatra ka hofaizin’Andriamanitra izy. Ny tantara dia mampiseho amintsika ny maha-fitiavana an’Andriamanitra, tsy avy hatrany dia mikapoka ny maditra fa miala nenina mandrakariva. Ny fanirahana mpaminany arak’izany dia fialana nenina hatrany mananatra ny olona. Koa aoka hahay hanararaotra izany ny mino.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.