MOFON’AINA ALAROBIA 10 MARTSA 2021

1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesoa ka lasa nita ny Ranomasin’i Galilia, dia ny Ranomasin’i Tiberiasy izany. 2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ny marary. 3 Ary Jesoa niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ny mpianany. 4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro foravoravoan’ny Jiosy. 5 Ary Jesoa nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo? 6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa Izy nahalala ihany izay efa hataony. 7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy. 8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’i Simona Petera, nilaza taminy hoe: 9 Misy zazalahy aty manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao? 10 Fa hoy Jesoa: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany. 11 Dia nandray ny mofo Jesoa; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy. 12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesoa tamin’ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very. 13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa amin’ny folo ny sombitsombin’ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ny nihinana.
JAONA 6 :1-13

JESOA : ANDRIAMANITRA MAHAGAGA

Ny tanjon’ny mpanoratra ny Filazantsara dia ny haneho fa Andriamanitra mahagaga i Jesoa. Novahan’i Jesoa ny olana momba ny famokisana olona an’arivony eto amin’ity mofonaina ity. Mahagaga i Jesoa noho Izy :

1-Atonin’ny vahoaka betsaka (and 1-5a)

Ny vahoaka dia enti-milaza karazana olona samihafa, olona maro .Araka izany dia azon’ny karazan’olona rehetra atonina i Jesoa na dia Andriamanitra aza. Mandray izay rehetra manatona Azy koa Izy. Andriamanitra akaiky ny olona rehetra i Jesoa. Andriamanitra tsy mizaha tavan’olona i Jesoa, namonjy ny olona rehetra tokoa Izy.

2-Mizaha toetra ny mpianany (and 5b, 6)

Nozahan’i Jesoa toetra ireo mpianatra raha ho afaka hamaha olana eto na tsia . Jesoa anefa araka ny tantara dia efa mahafantatra izay tokony hataony. Avy amin’izao no hahafantarantsika fa ireo tranga manahirana samihafa avelan’ Andriamanitra hiseho dia fizahan-toetra matetika. Tsy natao hahakivy na hampiraviravy tànana araka izany ny fizahan-toetra na inona na inona karazany.

3-Manampy handresena ny olana (and 10-13)

Nivavaka i Jesoa ka nitombo nahavoky ny olona rehetra teo ny mofo dimy sy hazandrano roa. Rehefa omena an’i Jesoa tokoa izay eo am-pelatanantsika ho enti- mamonjy ny hafa dia hain’i Jesoa ny mampitombo izany hahasoa ny maro. Tsy avelan’i Jesoa hitoetra ao anaty olana, ao anaty fahasahiranana ny vahoaka manaraka azy sy ireo mpianany. Andriamanitra mahagaga i Jesoa, mamaha ny olana manahiran-tsaina ny mpianany sy ny vahoaka manaraka Azy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.