Mofon’aina – ALAROBIA 10 MAY 2017

7 Fa antomotra ny faran’ ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin’ ny fivavahana.8 Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa « ny fitiavana manarona fahotana maro »9 Mifampiantranoa, ka aza mimonomonona.10 Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.11 Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza tenin’ Andriamanitra, raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny hery izay omen’ Andriamanitra azy; mba hankalazana an’ Andriamanitra amin’ ny zavatra rehetra amin’ ny alalan’ i Jesoa Kristy; fa Azy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena.
1 PETERA 4 :7-11

MANÀNA  FAHENDRENA  EO  AM-PIANDRASANA NY TOMPO

Miandry  amin’ny fanantenana ny fiavian’ny Tompo  isika fiangonany sy ny kristiana. Mazava  ny hafatra  ho antsika   eo am-piandrasana ny Tompo : « hendre ka mahonona tena  amin’ny fivavahana ». Mitaona  antsika  hamantatra  ny fomba fiaina « pratika » amin’ny maha-mpino  kristiana  izany. Ireto  no itaomana antsika :

1-Mifankatiava tsara :

Fandre matetika io. Na i Jesoa  aza  dia nanafatra  fa ny fifankatiavana  na ny fitia mifamaly  noraisintsika  avy Aminy  no hahafantarana sy hahazontsika mijoro  ho vavolombelona fa mpianatr’i Kristy  isika .Miezaha  hatrany  hitia  fa aza mitomany   hotiavina fotsiny . Izany   no fahendrena kristiana.

2-Mifanompoa  araka ny fanomezam-pahasoavana 

Ny  hoe : « manompo »  dia mikarakara ny hafa na manome fotoana  hanafam-pahasahiranana ny hafa, ka mampisitraka azy izay ilainy eo amin’ny fiainany  andavanandro .Ampirisihana ny mpino  hanao  toy izany. Ny fananana sy ny fahaiza-manao  nomen’ny Tompo  antsika avy  no ento  manatanteraka izany. Ny fanomezam-pahasoavana  na fahaiza-manao nomen’ny Tompo anao dia tsy nomeny hampandrosoanao ny tenanao fa ny  hafa  sy ny fiangonana. Koa andeha isika hamerina ny fiainan’ny fiangonana voalohany indray, ka hifanompo  tokoa  amin’izao  andron’ny « samy maka ho azy » izao.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !