MOFON’AINA ALAROBIA 10 OKTOBRA 2018

14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.15 Fa Jesoa nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy;19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;21 Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa.
MATIO 12 : 14-21

NY RARINY SY NY HITSINY TAMIN’I JESOA

1- Manohy hatrany ny asan’Andriamanitra

Fantatr’i Jesoa Kristy fa manomana tetika mba hisamborana, hamonoana Azy ny fariseo. Tsy nijanona tao amin’ny synagoga ízy fa niala tao. Tsy hoe nandositra ireto fahavalony Izy fa ny zava-dehibe taminy dia ny manohy hatrany ny iraka napetraky ny Rainy Taminy. Mbola maro ny asa tokony ho tanterahina, hita taratra tokoa izany fa rehefa nandeha Izy dia maro be ny olona mila fanafahana nanaraka Azy (and. 15). Te-haneho amintsika ny Tompo fa ny zava-dehibe Aminy ny fanatanterahana ny andraikitra napetraka Taminy. Rariny sy ny hitsiny Aminy dia ny manao ny asan’Andriamanitra toa izay handany andro hifanditra amin’ny fahavalon’ny filazantsara. Mampianatra antsika koa izany tohizo ny asan’Andriamanitra na dia misy aza ny fahavalo.

2- Manaiky ho tarihin’ny Fanahy Masina

Teo ampanohizana ny asa nanirahan’Andriamanitra Rainy Azy no nampahatsiahivan’i Jesoa Kristy ny amin’ilay Mpanompon’i Jehovah voalaza ao amin’ny Isaia. 42 : 1-4. Mpanompon’i Jehovah izay tsy mandeha amin’ny herin’ ny tenany fa mandeha araka ny fitarihinan’ny Fanahy Masina. Ny Fanahin’Andriamanitra no mitarika azy hitory ny rariny, hitondra famonjena ho an’ireo sokajin’ olona izay iharan’ny tsy rariny, iharam-pahoriana tsy mahita ny làlana hizorana. Ny rariny ho Azy dia ny fanahafana, fampandresana izay tsv misy mpihevitra.

Fanontaniana:
Tsaroanao ve ny antom-pisianao ao amin’ny fiangonana sy eo amin’ny fiaraha-monina?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.