Mofon’aina – ALAROBIA 11 APRILY 2018

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.2 Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.3 Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka.4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.6 Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesoa taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
JAONA 10 :1-10

« IZAHO AVY MBA HANANANY FIAINANA SADY HANANANY BE DIA BE » (and 10)

1-Tonga hanome fiainana i Jesoa

Ny hitondra fiainana ho antsika no antom-pahatongavan’I Jesoa ho olona. Tandindomin’ny fahafatesana mandrakariva ny fiainantsika. Ny hanafaka antsika amin’izany aloky ny fahafatesana izany indrindra no nahatongavan’I Jesoa. Tahaka ny mpiandry tsara dia tonga Izy hitarika, hamelona, hiaro ny ondriny. Santionany amin’ny fiainana atolotry ny Tompo ho antsika ny famelan-keloka, fanasitranana, famonjena, fiahiana sy fiarovana ary ny hananganana antsika amin’ny maty (and9) ampit. Sal 23).

2-Manana fiainana be dia be omena antsika i Jesoa

Manolotra fiainana feno amin’ny lafiny rehetra ho antsika ny Tompo. Ny fiainana be dia be atolotry ny Tompo voalaza eto mantsy dia tsy milaza habetsahana fotsiny ihany fa milaza hafenoana sy hatsarana ihany koa. Fiainana feno sy mitohy ary maharitra no atolotry ny Tompo ho antsika izay matoky Azy. Santarina sahady ety an-tany izany fiainana feno atolotry ny Tompo izany ho antsika izay mino ny famonjena vitany teo amin’ny hazo fijaliana.

Fanontaniana

Ahoana no hahatsapanao fa manolotra fiainana be dia be ho anao tokoa I Jesoa?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !