Mofon’aina – Alarobia 11 janoary 2017

4 Misaotra an’ Andriamanitro mandrakariva ny aminareo aho noho ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena anareo ao amin’ i Kristy Jesoa,5 dia ny nampananana harena anareo ao aminy amin’ ny zavatra rehetra, na ny teny rehetra, na ny fahalalana rehetra,6 araka ny niorenan’ ny filazana an’ i Kristy teo aminareo,7 ka dia tsy latsaka amin’ ny fanomezam-pahasoavana rehetra ianareo, miandry ny fisehoan’ i Jesoa Kristy Tompontsika,8 Izay hampiorina anareo koa hatramin’ ny farany, ka dia tsy hanan-tsiny ianareo amin’ ny andron’ i Jesoa Kristy Tompontsika.9 Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin’ ny Zanany, dia Jesoa Kristy Tompontsika.
1 KORINTIANA 1 :4-9

MAHATOKY NY ASAN’NY FILAZANTSARAN’I KRISTY

1-Mitondra fahasoavana izany

« Misaotra an’ Andriamanitra … ny aminareo aho noho ny fahasoavana izay nomena anareo ao amin’i Kristy Jesoa … » (and 4). Fahasoavana ? Fiteny mahazatra antsika io, kanefa manjavozavo amintsika ny dikany sy heviny, ka zary raisina am-pahazarana. Toetran’ Andriamanitra mitia izany, na dia tsy mendrika hotiavina aza isika. Aseho sy omena ary raisina ao amin’i Jesoa sy ny Filazantsarany dia miaina amin’ny fahasoavana, ka io no hampiorina antsika mpino sy ny Fiangonana hatramin’ny farany (and 8). Ataovy tsara ely ny Filazantsara, handraisan’ny olona an’i Kristy, mba hiorina hatramin’ny farany ka tsy hivadika na hiova izay efa nanandrana ny teny tsaran’ Andriamanitra sy ny herin’ny fiainana (Heb 6 :5).

2-Mampanankarena fanomezam-pahasoavana izany

Rehefa nandray ny Filazantsara sy ny fahasoavana tao amin’i Kristy Jesoa ny mpino tao Korinto dia nanankarena fanomezam-pahasoavana (and 7), ary niasa fa tsy nipetra-potsiny eo am-piandrasana ny fiavian’i Jesoa. Io finoana miasa araka ny fanomezam-pahasoavana io no mampiorina antsika amin’ny finoana mandra-piavin’ny Tompo dia hiorina amin’ny finoana isika, satria mahatoky ilay efa nifidy sy miantso antsika.

Fanontaniana:

Inona no andraikitra horaisintsika avy hanamafy orina ny finoana sy handraisan’ny maro an’i Jesoa Kristy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !