MOFON’AINA ALAROBIA 11 MARTSA 2020

13 Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe : Mialà amin’ny làlanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo. 14 Kanefa tsy nihaino izy, fa nanamafy ny hatony, tahaka ny razany, izay tsy nino an’i Jehovah Andriamaniny. 15 Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ny razany mbamin’ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka. 16 Ary nahafoy ny didin’i Jehovah Andriamaniny rehetra izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho an’ny tenany, dia ombilahy kely roa, ary nanao Aseraha koa izy sady niankohoka teo anatrehan’izay rehetra eny amin’ny lanitra ary nanompo an’i Bala. 17 Ary nampandeha ny zanani-lahy sy ny zanani-vavy hamaky ny afo izy, sady nanao fankatovana sy sikidy ary nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah ka nampahatezitra Azy. 18 Koa dia tezitra indrindra tamin’ny Isiraely Jehovah, dia nesoriny tsy ho eo imasony izy, ka tsy nisy sisa afa-tsy ny firenen’i Joda ihany. 19 Ary ny Joda koa aza tsy mba nitandrina ny didin’i Jehovah Andriamaniny, fa nandeha araka izay rehetra nataon’ny Isiraely koa. 20 Dia narian’i Jehovah ny taranak’Isiraely rehetra ka nampahoriny sy natolony ho eo an-tànan’ny mpamabo azy mandra-panaisony azy tsy ho eo imasony.
2 MPANJAKA 17 : 13-20

ANDRIAMANITRA FITIAVANA NY TOMPO

Ny Testamenta Taloha dia maneho indrindra ny fitiavan’Andriamanitra ny vahoaka Isiraely. Notiavin’Andriamanitra io vahoaka io na dia tsy mendrika izany fitiavany izany akory aza. Andriamanitra no ilay lehilahy tena tia ny vadiny izay ambaran’ny Soratra Masina fa toy ny vehivavy janga tsy mendrika ny fitiavany akory. Ireto no maneho izany fitiavan’Andriamanitra izany

  1. Mitady ny fomba tsy hahatapaka ny fiombonany amin’ny vahoakany (and 13)

« nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda »

Ny filazana eto ny mpaminany sy ny mpahita rehetra dia tena fanehoana fa mitady ny fomba rehetra mihitsy ny Tompo mba tsy ho tapaka ny fifandraisany amin’ny vahoakany izay tiany. Ampiasain’Andriamanitra avokoa ny olony rehetra, ny fombany rehetra mba hanao izay hitohizan’ny fifandraisany mandrakariva amin’ny vahoakany. Raha manao izany rehetra izany Andriamanitra mba tsy ho tapaka ny fifandraisany amintsika, isika koa dia tokony hanao ny ezaka rehetra mba tsy ho tapaka fifandraisana amin’ny Tompo. Tsarovy fa Jesoa mihitsy aza no nirahiny teto amin’izao tontolo izao hanohy hatrany io fifandraisana aterky ny fitiavana io. Tian’Andriamanitra loatra ny vahoakany ka natolony mihitsy aza ny zanany teo amin’ny hazo fijaliana handresy ny herin’ny fahotana mba tsy hisy intsony handrava sy hanapaka ny fifandraisany amin’ny vahoakany.

  1. Mety tezitra ny Tompo ka mikapoka (and 18)

« koa dia tezitra indrindra tamin’ny Isiraely Jehovah »

Ny fahatezerana tsy midika ho tsy fitiavana. Manana fo mety tezitra ny Tompo. Ary matoa Izy tezitra dia tsy mahazaka ny ditran’ny vahoakany. Miraharaha ny vahoakany ny Tompo na dia tezitra aza. Mety mikapoka ihany Izy rehefa tena tezitra INDRINDRA. Ny kapoky ny Tompo eto dia mikendry mandrakariva izay hiverenan’ny olony Aminy. Tsy kapoka mikendry famaizana loatra fa fanehoana fitiavana te hifandray mandrakariva amin’ny vahoakany. Kapoka mampahatsiaro tena ny vahoakany hahatsiaro Azy mandrakariva. Kapoka mamerina fifandraisana, kapoka mamboly fifandraisana vaovao. Raha ny marina, io kapoka noho ny Tompo tezitra indrindra io, dia nampihariny tamin’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana satria tsy ho zakantsika mihitsy izy io. Noho ny fitiavan’Andriamanitra dia Izy tenany ihany no mizaka ny vokatry ny ditran’ny vahoaka izay tiany. Amin’izao fotoan’ny karemy izao, handeha mba hiezaka ho mendrika izany fitiavan’Andriamanitra izany isika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.