MOFON’AINA ALAROBIA 11 NOVAMBRA 2020

4 Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. 5 Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. 6 Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. 7 Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. 8 Fa ny anankiray nomen’ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, 9 ary ny anankiray finoana, amin’izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, amin’izany Fanahy iray izany ihany, 10 ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin’ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. 11 Ireo rehetra ireo dia asan’ny Fanahy iray ihany, zarazarainy ho azy rehetra avy araka ny sitrapony. 12 Fa tahaka ny tena iray ihany, anefa maro no momba ny tena, ary ireo rehetra momba ny tena ireo, na dia maro aza, dia tena iray ihany, dia tahaka izany koa Kristy. 13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy na jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray. 14 Nefa ny momba ny tena tsy iray, fa maro. 15 Raha ny tongotra hanao hoe: Satria tsy tànana aho, dia tsy mba momba ny tena,-amin’izany dia tsy momba ny tena va izy? 16 Ary raha ny sofina hanao hoe: Satria tsy maso aho, dia tsy mba momba ny tena,-koa amin’izany dia tsy momba ny tena va izy? 17 Raha maso avokoa ny tena rehetra, aiza ary izay fandrenesana? Raha fandrenesana avokoa, aiza ary izay fanimboloana? 18 Fa Andriamanitra efa nametraka izay rehetra momba ny tena, samy ho eo amin’ny tena araka ny sitrapony. 19 Ary raha izay rehetra momba ny tena no tonga iray monja, aiza intsony izay tena? 20 Fa maro ny momba ny tena, nefa ny tena dia iray ihany. 21 Ary ny maso tsy mahazo manao amin’ny tànana hoe: Tsy mila anao aho; ary indray, ny loha tsy mahazo manao amin’ny tongotra hoe: Tsy mila anareo aho.
1 KORINTIANA 12 : 4-21

ENTINA MAMPANDROSO NY ASAN’ANDRIAMANITRA NY FANOMEZAM-PAHASOAVANA

Paoly Apostoly dia tena nasiaka raha nanoratra ho an’ny Kristianina tamin’ny fiangonana tao Korinto. Nahatonga elanelana teo aminy sy ny Kristianina izany. Sarotiny be Paoly ka tena nampianatra raha nanoratra ho an’ny Korintianina. Somary hita tao amin’ny fiangonana tao Korinto avokoa mantsy ireo karazan’olana samihafa fahita amin’ny fiangonana. Anisan’ny olana natrehina tao Korinto ohatra ny fizarazarana nateraky ny fizahozahoana sy ny fiheveran-tena ho zavatra. Nifanilika sy nifampiandany ny Kristianina, hany ka nivakivaky ny fiangonana. Ho fanarenana izany sy ho fanitsiana ny fiangonana no nahatonga an’i Paoly nampianatra ny amin’ny maha-sarobidy ny asan’ny Fanahy Masina. Harem-pahasoavana lehibe nomen’Andriamanitra ny fiangonana ny Fanahy Masina. Izy no manome fanomezam-pahasoavana ho enti-mampandroso sy mampilamina ny fiangonana. Samy nomen’ny Fanahy Masina fanomezam-pahasoavana avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana. Noho izany dia afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana izy. Arak’izany izay nandray ny famonjena sy mahatsiaro saina fa olom-boavonjy dia

  1. Mampiasa ny fanomezam-pahasoavany ho fampandrosoana ny fiangonana

Tsy fanomezam-pahasoavana iray ihany no nomen’ny Fanahy Masina fa maro. Satria maro ny asan’Andriamanitra miandry ny fiangonana dia nomena Fanomezam-pahasoavana maro ny Kristianina mba tsy hisy banga ny fanatanterahana ny asan’Andriamanitra. Ny fampiasan’ny tsirairay izany fanomezam-pahasoavana izany no ahafahany mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana. Raha misy arak’izany tsy mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy dia manisy fahambangana amin’ny asan’ny fiangonana izy. Manasarotra ny hahatanterahan’ny fiangonana ny asan’Andriamanitra izy. Ny fanomezam-pahasoavana mantsy dia nomena hanamorana ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra.

Raiso ny fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra ka hampiasao fa manampy ny fiangonana hahatanteraka ny asan’Andriamanitra izany. Meteza hangataka fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina koa mba hanana anjara amin’ny fampandrosoana ny fiangonana isika.

  1. Mahatsiaro ny hasarobidin’ny fanomezam-pahasoavan’ny hafa

Maro ny asan’ny fiangonana. Tsy vitan’olona iray izany. Tsy olona iray ihany koa anefa no nomen’Andriamanitra fanomezam-pahasoavana fa olona maro ao amin’ny fiangonana. Ny fanomezam-pahasoavana arak’izany dia maneho an’Andriamanitra manan-karem-pahasoavana ka afaka mizara izany. Ny fanomezam-pahasoavana koa dia maneho fa mifampiankina sy mifameno ny Kristianina ao amin’ny fiangonana. Tsy misy na iza na iza afaka hilaza tena ho mahavita samirery ny asan’Andriamanitra. Raha tena tiana ny hahatanteraka araka ny tokony ho izy ny asan’Andriamanitra dia sarobidy ny mahatsiaro fa ilaina ny hafa, ilaina ny fanomezam-pahasoavany ho fampandrosoana ny fiangonana. Noho izany dia tena mifameno sy mifampiankina ny fanomezam-pahasoavana. Koa na tsara toy ny ahoana aza ny fahaiza-miteny tsy fantatra ohatra dia mila fahaiza-mandika teny izy vao ahazoana mampandroso fiangonana sy finoana. Tsy misy arak’izany fanomezam-pahasoavana ambony mihoatra ny sasany, mitovy avokoa ny fanomezam-pahasoavana satria samy afaka ho enti-mampandroso fiangonana avokoa.

Mangataha fanomezam-pahasoavana amin’ny Fanahy Masina, meteza hampiasa izany, ary meteza koa iara-miasa amin’ny hafa ho fampandrosoana ny fiangonan’Andriamanitra.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.