Mofon’aina – ALAROBIA 13 DESAMBRA 2017

1 Anaka, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;2 Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.3 Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin’ ny fonao tahaka ny amin’ ny vato fisaka,4 Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona hianao.5 Matokia an’ i Jehovah amin’ ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ ny fahalalanao;6 Maneke Azy amin’ ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny lalanao,7 Aza manao anao ho hendry; Matahora an’ i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.8 Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.9 Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;10 Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin’ ny vata fanantazanao.11 Anaka, aza manamavo ny famaizan’ i Jehovah, Ary aza tofoka amin’ ny fananarany;12 Fa izay tian’ i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon’ ny ray amin’ ny zanaka tiany.
OHABOLANA 3 :1-12

IREO  FITAHIANA, FAHASOAVANA, FITIAVANA OMEN’NY TOMPO  ANTSIKA

1-Tombonandro :

« Fa  andro maro  sy taona  ela iainana  ary fiadanana  no hanampiny ho anao ».Izany   teny fikasana  izany   dia tanterahan’ ny Tompo  amin’izao  fisitrahantsika  ny andro anio izao .

2-Famindrampo :

« Aoka  tsy handao  anao ny   famindrampo  sy ny fahamarinana »(Oha 3 :3). Izany  famindrampon’ny Tompo izany  no tsy mahalany  ritra antsika.

3-Fitiavana ,fahalalana tsara

« Ka dia hahazo  fitia  sy fahalalana tsara  eo anatrehan’ ny  Tompo  sy ny olona  ianao » (Oha 3 :4).Mifampiankina  amin’ny fisitrahana  ny famindrampon’ny Tompo  ny fahazoana  eo anatrehany  sy anatrehan’ny olona .

4-Filaminana :

« Fa Izy handamina ny làlanao » (Oha 3 :6b). Mirindra  daholo  izay atao rehetra , rehefa  ny  Tompo  no mandamina azy .

5-Fitahiana :

« Ka  dia ho feno  mitafotafo  ny fitoeram-barinao »(Oha 3 :10) .Sitraky ny  Tompo ny hanatanterahany   ireo  tsodrano  voalaza  ao  amin’ny Deo  28 :8 ho antsika .

Fanontaniana :

Jereo  ny Oha 3 :1-12, ka fantaro  ireo fikasan’ Andriamanitra  efa tanteraka  aminao ankehitriny.