Mofon’aina – Alarobia 13 janoary 2016

1 Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin’ireo biby reraka.2 Miraika sy mangozohozo avokoa izy, ka tsy mahavonjy ny entana akory; Fa na dia ny tenany aza dia lasan-ko babo koa.3 Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay srehetra amin’ny taranak’Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:4 Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, izaho no hitondra sy hanafaka.5 Hampitovinareo amin’iza moa Aho, sy amin’iza no hanoharanareo Ahy ary iza no hataonareo ho tahaka Ahy mba hitahany amiko?6 Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.7 Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin’ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.
ISAIA 46 :1-7

LEHIBE NY TOMPO ANDRIAMANINTSIKA

1-Mandresy ny andriamanin-kafa Izy

Andriamanitry ny Babyloniana i Bela, ary tena andriamani-dehibe, rain’ny andriamanitra rehetra araka ny finoan-drizareo . Niova ho Mardoka ny anarany taty aoriana, ary i Nebo dia zanak’i Mardoka. Samy andriamanitra mahery ireo amin’ny Babyloniana, saingy nopotehan’ny Tompo ka tonga nangozohozo . Andriamanitra tsy mahavonjy, fa entina amin’ny sarety ka reraka ny biby mitarika sy mitondra azy , nefa tsy hain’ilay andriamanitra akory na dia ny mamonjy ireo biby reraka manompo azy aza. Tsy mba toy izany ny Tompontsika fa sady mandresy ny andriamanin-kafa Izy no mahavonjy tokoa izay manompo Azy.

2-Mihaino sy miaro ary mahavonjy Izy

Aseho eo amin’ny and 6-7 fa na dia volamena sy volafotsy lafo vidy aza ny andriamanitra samihafa, dia tsy andriamanitra mitondra ny olona ireny fa lanjaina ; tsy mihetsika fa ahetsika sady tsy mahahetsika akory rehefa apetraka eo amin’ny toerany. andriamanitra itarainana fa tsy mamaly satria tsy mihaino akory . Tsy mba toy izany ny Tompontsika. Mitondra Izy fa tsy entina. Hatrany am-bohoka ka mandraka antitra (and 3,4) no nitondrany antsika. Mihaino antsika koa Izy, fa tsy natao hohenoina fotsiny ka midina mamonjy sy miaro izay mitaraina Aminy . Nasehony ho azo tsapain-tànana tao amin’i Jesoa Kristy izany toetrany rehetra izany. Koa matokia Azy, fa lehibe ny Tompontsika.

Fanontaniana :

Inona no akon’ny fahatsapantsika ny fahalehibiazan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.Amen !