Mofon’aina – ALAROBIA 13 JIONA 2018

13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin’ i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon’ ny mpanjaka;14 fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?15 Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.
ESTERA 4:13‑17

I ESTERA SY I MORDEKAY, TIA NY FIRENENY.

Tsy izay rehetra mahay manao kabary tsara lahatra akory no tia ny fireneny. Ny tena fitiavana ny Firenena dia :

1 – Aseho amin’ny fandraisana andraikitra

Fantatr’i Mordekay fa misy loza mananontanona hanjo ny fireneny. Nanao izay azony natao izy mba hisakana izany. Nandefa hafatra ho an’i Estera izy, ho fampitandremana sao ho varimbariana na hihevi-tena ho efa miadana satria voahosotra ho mpanjakavavy. Na dia hizotra tsara aza mantsy ny fiainany, ka hiadam-pinaritra izy sy ny fianakaviany. Dia tsy ho afa-miala amin’ny loza mitalao hanjo ny fireneny izy sy ny mpianakavin-drainy (and. 14). Maro ny olona izay diso fihevitra ka tsy mba mijery sy manaraka ny vaovao momba ny fiainam-pirenena. Manana adidy amin’ny fireneny ny tsirairay ka tokony handray izay andraikitra tandrify azy, ho fijoroana ho vavolombelon’ny Tompo.

2 – Aseho amin’ny fanoloran-tena

Rehefa tafita tany amin’i Estera izany hafatra izany, dia nambarany ny fahavononany handray ny andraikitra. Vonona izy ny hanao sorona ny tenany ka hiditra ao amin’ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza izany (and. 16). Manome fianarana ho antsika ny fiainan’i Estera izay mampiseho fahavononana hanao sorona ny ainy ho fanavotany ny mpiray firenena aminy. Fitiavana toy izany no nasehon’i Jesoa Kristy ho antsika, ka nanolorany ny tenany ho faty teo amin’ny hazo fijaliana ho fanafahana antsika amin’ny fanamelohana vokatry ny fahotana.

Fanontaniana :

Efa nandray andraikitra toy izany ve ianao hanavotana ny mpiray finoana sy ny mpiray firenena aminao ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !