MOFON’AINA ALAROBIA 13 MAY 2020

1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: 2. Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko. 3. Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin’Andriamanitra. 4. Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako. 5. Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho. 6. Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza. 7. Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy. 8. Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy, raha maito ny ainy, ka* tsoahan’Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan’ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc] 9. Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy? 10. Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?
JOBA 27 : 1-10

NY ASAN’NY FANAHY MASINA TEO AMIN’I JOBA

Ny foto-kevi-dehibe tena matanjaka ao amin’ny bokin’ny Joba dia ny fijalian’ny olo-marina. Na dia olo-marina aza dia mety mijaly. Tsy dia zava-neken’ny fomba fisainana tatsinanana loatra izany kanefa zavatra mety misy. Eto amin’ity mofonaina ity dia ambaran’i Joba fa mbola ao aminy ny Fanahy Masina, « eo am-bavaoroko ny Fanahin’Andriamanitra » hoy Joba. Io Fanahy Masina io dia nanampy an’i Joba

  1. Hijoro amin’ny Fahamarinana (and 4-6)

« Ny fahamarinako hazoniko hatramin’ny farany ka tsy foiko »

Tsy zavatra mora ny mijoro amin’ny fahamarinana. Mety hisedrana zavatra sarotra sy mafy izany. Mety hitondrana fahoriana izany. Ny tantaran’i Joba dia ohatra velona amin’izany. Lehilahy marina ka navelan’Andriamanitra nozahan-toetra mafy. Tao anaty fizahan-toetra mafy anefa dia nahajoro hatramin’ny farany tamin’ny fahamarinana. Ary rehefa dinihina izay ambaran’i Joba dia noho ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra izany. Manampy tokoa hijoroana amin’ny fahamarinana ny Fanahy Masina.

Fotoan-tsarotra ijoroana amin’ny fahamarinana ny fotoana ankehitriny, be dia be no milaza fa efa voavidy vola rahateo ny marina. Ezahina amin’ny fomba rehetra ihany koa ny manafina ny marina, hany ka sarotra izany hoe mijoro amin’ny fahamarinana. Soa fa manampy antsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Izay hitoeran’ny Fanahy Masina irery ihany no mahajoro amin’izany. Tsarovy Jesoa raha teto amin’izao tontolo izao. Izy dia nijoro hatramin’ny farany tamin’ny fahamarinana. Izy rahateo dia nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin’ny andro nanaovana batisa Azy. Izy aza moa dia sahy nilaza fa Izy no FAHAMARINANA. Hanampy antsika hanao ny marina hatrany koa anie ny Fanahy Masina ao anatintsika.

  1. Hanana fanantenana (and 8-10)

Anisan’izay zavatra hita sy tsapa teo amin’ny fiainan’i Joba teto amin’izao tontolo izao ny fanantenana. Fanantenana fa hanafaka azy amin’ny fahoriana mahazo azy Andriamanitra noho izy nahatana sy nahajoro hatramin’ny farany amin’ny fahamarinana. Fanantenana fa hisy vokany tsara any am-parany ny fijoroany amin’ny fahamarinana na dia mihatra aman’aina aza izany. Na dia noezahin’ireo namany nopepoina aza Joba fa ny faharatsiany no mahatonga ny fahoriany dia nijoro nitana izany fahamarinany izany izy ka nanantena mandrakariva. Ambaran’ny mpandinika ny bokin’i Joba fa noho ny herin’ny Fanahin’Andriamanitra tao aminy no nahavitany izany. Tena marina tamin’i Joba ny tenin’ny olon-kendry hoe « Fa raha mbola hisy koa ny farany, dia tsy ho foana ny fanantenanao »( Oha 23 : 18)

Velombelomin’ny Fanahy Masina mandrakariva ao amin’ny olo-mijoro amin’ny fahamarinana kanefa iharam-pahoriana ny fanantenana. Rehefa tena miasa mahery ao amintsika ny Fanahy Masina dia tsy misy na inona na inona mahafoana ny fanantenana ao anatintsika.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.