MOFON’AINA ALAROBIA 13 NOVAMBRA 2019

1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an’Andriamanitra, ary minoa Ahy koa. 2 Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa. 4 Ary fantatrareo koa ny làlana ho any amin’izay halehako. 5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny làlana? 6 Hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. 7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
JAONA 14 : 1-7

JESOA KRISTY NO FANALAHIDIN’NY FIDIRANA AMIN’NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA

Jaona Apostoly raha nanoratra ny Filazantsara dia nanoratra izany mba hahatonga izay mamaky ny filazantsara nosoratany hahatsiaro fa Jesoa no mpamonjy, sady fanalahidy lehibe hidiran’ny olona rehetra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Ny finoana an’i Jesoa no ahazoan’ny olona mandova ny fiainana mandrakizay. Ireto no hafatra ho antsika anio. Jesoa fanalahidin’ny fanjakan’Andriamanitra

  1. Manamboatra toerana ho antsika (and 1-3)

« handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. 3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana hoa anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa »

Efa hisaraka amin’ny mpianany Jesoa eto amin’izao mofonaina izao. Handeha hiakatra any an-danitra amin’izay Izy satria vitany ny asa fanompoany teto amin’izao tontolo izao. Ny tenin’i Jesoa eto dia azo adika roa ny heviny

– Mbola mitohy ny asany fa tsy tapitra teto amin’izao tontolo izao. Raha tonga namonjy ny olona teto amin’izao tontolo izao Jesoa dia lasa nanohy izany asa izany any an-danitra satria izay rehetra nandray ny famonjena, izay rehetra nanaiky hovonjena dia hiditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Koa lasa nanomana izany Izy. Asan’i Jesoa no manomana ny toerana hivantanana rahatrizay ho an’izay rehetra mino. Azo antoka arak’izany fa tena misy toerana hivantanana ny olona rehetra mino Azy.

– maro ny olona hiditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra satria toerana maro no namboarin’i Jesoa. Asa raha mba ho isan’ny miditra any isika na tsia.

Meteza arak’izao handray fotsiny ny famonjen’i Kristy, ary aza dia miasa saina loatra amin’ny toeran-kovantanina satria efa manomana izany Jesoa. Ary manantenà indray fa tena ho avy tokoa Izy haka antsika rehetra mino Azy.

  1. Tsy misy na iza na iza hahita an’Andriamanitra raha tsy Jesoa no manelanelana (and 6)

« Hoy Jesoa taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako »

Be dia be no fampianarana samihafa vohizina ankehitriny. Be dia be ny milaza fa afaka miantoka fiainana mandrakizay aorian’ny fahafatesana. Ny hany azo antoka indrindra, indrindra ho antsika kristianina adia izay ambaran’ny Soratra Masina irery ihany. Jesoa irery no afaka miantoka izany fidirana amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany. Jesoa irery no afaka miantoka ny fahatsaran’ny fifandraisana amin’Andriamanitra indray. Tsy misy na iza na iza arak’izao hahita an’Andriamanitra raha tsy ao amin’i Jesoa Kristy izy. Tsy misy na iza na iza afaka miala amin’i Jesoa raha te hihaona amin’Andriamanitra rahatrizay. Aoka hiomana amin’izay fihaonana amin’Andriamanitra izany isika, aoka ho azo antoka tsara ny maha-ao amin’i Kristy Jesoa antsika. Koa raha ho avy tokoa Jesoa dia handray antsika ho any Aminy tokoa, ka izay misy Azy no hisy antsika koa.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.