MOFON’AINA ALAROBIA 13 OKTOBRA 2021

41 Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.42 Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.43 Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.44 Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,45 ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.46 Ary dia niray saina isan-andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsoram-po,47 nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan-andro ho isan’ ireo.
ASAN’NY APOSTOLY 2 : 41 – 47

NY OLONA NAMPIOMBONIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA

1- Miombona amin’ny fifanampiana

« Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, » (and. 44)

Rehefa nandre sy nandray tsara ny Tenin’Andriamanitra ireo Kristianina voalohany, dia tonga fiainan’izy ireo mihitsy izany. Nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fiombonana ny Tenin’Andriamanitra : niray toerana, niombonana fananana, nivarotra tany sy fananana ka nozaraina tamin’ny tsy manana. Rehefa mino ny Filazantsara ny olona dia mandala ny fiombonana sy ny fifanampiana, indrindra eo amin’ny samy mpianakavy ny finoana. Ny finoana ny Filazantsara an’i Jesoa Kristy dia mitarika ho amin’ny fiombonana sy fifampitsinjovana. Minoa ny tenin’i Jesoa Kristy dia hahay hiombona sy hanampy ny hafa ianao.

2- Miombona amin’ny Fanasan’ny Tompo

« Ary dia niray saina isanandro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ny tempoly ary namaky mofo… » (and. 46)

Ireo izay nino ny Filazantsara dia nazoto niombona tamin’ny fiaraha- manompo teo amin’ny kianjan’ny Tempoly sy ny Fanasan’ny Tompo tamin’ny fifaliana. Mariky ny fandraisan’ny olona ny Filazantsara ny fiombonana amin’ny fiderana an’Andriamanitra izay foto-kevitry ny Fanasan’ny Tompo. Ny fiombonana ivelan’ny finoana ny Filazantsara dia tsy misy fifaliana ho amin’ny fanompoana sy ny Fanasan’ny Tompo. Ny olona mino ny Filzantsaran’i Jesoa Kristy no mahay miombona, amin’ny fifaliana amin’ny fanompoana eo amin’ny Fiangonana sy ny Fanasan’ny Tompo.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.