Mofon’aina – ALAROBIA 13 SEPTAMBRA 2017

34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.36 Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?37 Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masina.
MARKA 8 :34-38

SAHIA  MIJORO  HO MPANARA-DIA NY TOMPO

1-Ampandefero ny fitiavam-bola  aman-karena 

Ny and 34 sy 35 raha  fehezina  dia toy   ny milaza amintsika ny tsy tokony himatimatesana loatra  amin’ny fitiavam-bola aman-karena  eto amin’izao  tontolo izao. Tsy  afa-miaraka  mantsy  ny fanompoana  an’ Andriamanitra sy mamôna (vola). Koa ampandefero  ny fitiavam-bola aman-karena raha tena hanompo  sy hijoro  ho vavolombvelon’i Kristy isika. Voavidy  vola avokoa  amin’izao  fotoana izao na ny rariny  sy ny marina aza. Ny olona  tsy sahy  mijoro amin’ny finoana , noho  ny vola dia efa  nivarotra ny maha-kristiana azy.Koa sahia mijoro  ho mpanara-dia ny Tompo . Mizaha hampandefitra ny fitiavam-bola  aman-karena .

2-Hevero  ka matahora ny farany 

Ny and 38 dia mampahatsiaro antsika izany fitsarana izany .Izay mandà  an’i Jesoa sy ny fampianarany mbamin’ny teniny ankehitriny ka menatra  ny hijoro  ho mpino kristiana dia hitsanga-menatra koa amin’ny fitsara farany. Koa ho antsika izay menatra na matahotra ny ho vavolombelon’ny Tompo  dia tsarovy  fa tsy ny atrehantsika ankehitriny ihany no fiainana. Hisy fitsarana  hitondrana anao, mety hihevitra isika fa manana solovava ao amin’ny Ray. Mba  ho menatra tahaka ny nataonao koa io mpisolovava io  amin’izay fotoana izay. Noho izany, aza mijery  fotsiny  ny hita ankehitriny, fa hevero ka matahora ny farany .

Fanontaniana:

Nahoana  no mety ho menatra antsika ilay antenaina hisolo vava  antsika amin’ny fitsarana farany ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !