Mofon’aina – ALAROBIA 14 FEBROARY 2018

9 Ary Josoa nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Mankanesa atỳ, ka mihainoa ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo.10 Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:11 Indro, ny fiaran’ ny faneken’ ny Tompon’ ny tany rehetra no mandroso eo alohanareo ho eo Jordana;12 koa ankehitriny mangalà lehilahy roa ambin’ ny folo amin’ ny firenen’ Isiraely ho anareo, dia iray avy isam-pirenena;13 ary raha vao mijanona eo amin’ ny rano Jordana ny faladian’ ny mpisorona izay mitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, Tompon’ ny tany rehetra, dia ho tapaka ny rano Jordana, dia ny rano izay midina avy any ambony, ka hijanona ho toy ny antontan-javatra.14 Ary raha niala tamin’ ny lainy hita an’ i Jordana ny olona, ary ny mpisorona nitondra ny fiaran’ ny fanekena eo alohan’ ny olona,15 ka tonga teo Jordana izay nitondra ny fiara, ary naroboky ny mpisorona izay nitondra ny fiara tamin’ ny sisin-drano ny tongony (fa tondraka mihoatra ny morony rehetra Jordana mandritra ny fararano),16 dia nijanona ny rano izay nidina avy tany ambony ka tonga toy ny antontan-javatra terỳ lavitra erỳ, dia terỳ amin’ ny tanàna Adama, izay eo anilan’ i Zaretana; eny, tapaka tokoa ny rano izay nidina ho any amin’ ny ranomasin’ ny tani-hay, dia ny Ranomasin-tsira; ary ny olona dia nita tandrifin’ i Jeriko.17 Ary ny mpisorona izay nitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nijoro tsara tamin’ ny tany maina teo afovoan’ i Jordana, ary ny Isiraely rehetra nandeha tamin’ ny tany maina mandra-pahatafitan’ izy rehetra an’ i Jordana.
JOSOA 3 :9-17

ENTIN’NY TOMPO  HANDOVA  NY TANY ISIKA

1-Araho  ny toromarika 

Nodimbiasan’i Josoa i Mosesy, ary mitovy   tanteraka  ny fombàn’ Andriamanitra an’i Mosesy sy i Josoa (and 7). Famantarana lehibe no nomen’ny Tompo  an’i Josoa, ka nahafahany  nanome toro-làlana  ny olona. Toro-lalàna  avy  amin’ny Tompo, araka ny teny eto hoe: « Mankanesa aty  ka mihainoa ny Tenin’i Jehovah Andriamanitrareo ». Tsy  misy angatahina  amin’ny olona afa-tsy  ny mihaino   sy  mankato. Tsy  afaka handroso  handova  ny tany ny vahoaka raha tsy  mankato aloha. Ho ao an-tsain’ireto taranaka ireto ny fomban’ Andriamanitra ireo razany tany aloha  fony raha niampita ny ranomasina mena. Tsy miova Andriamanitra fa eo  koa ny fombàn’ Andriamanitra  azy ireo rehefa  tafita ny rano.

2-Ataovy ny fampiharana

Voalaza eto  fa nialoha   ny  olona rehetra ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ Andriamanitra. Naroboky ny mpisorona  ny tongony (and 14-15) dia nijanona ny rano ka afaka niampita tamin’ny tany maina ny olona. Famantarana  izany fa miaraka  sy miandany amin’ny vahoakany  ny Tompo. Nisy izany zavatra  rehetra izany  noho ny Tenin’ Andriamanitra , ary   noho ny fankatoavan’ny olona , ary entina  manaporofo  koa fa tsy  miova velively  Andriamanitra . Mariho  tsara  fa tsy  misy nisalasala ny  mpisorona  sy ny olona eto  noho  ny fankatoavana  ny Tenin’ Andriamanitra. Foana ny fisalasalana  fa tanteraka  izay  rehetra nolazain’ Andriamanitra  rehefa mankato ny olona.

Fanontaniana:

Mahay  mankato  ny Tenin’ Andriamanitra ve ny kristiana manoloana ny zavatra manjo azy?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !