Mofon’aina – ALAROBIA 14 JONA 2017

1 Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin’ Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin’ izao tontolo izao.2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin’ Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ ny nofo Jesoa Kristy no avy amin’ Andriamanitra;3 ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’ i Jesoa dia tsy mba avy amin’ Andriamanitra; ary izany no fanahin’ ny antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’ izao tontolo izao sahady izy.
1 JAONA 4 :1-3

NY FANAHY MASINA  SY FAMPIANARANA MARINA

1-Aza mino ny Fanahy rehetra 

Mitarika ny sain’ny kristiana  i Jaona  fa misy  fanahy maro  samihafa miasa eo anivon’izao  tontolo  izao. Fanahy samy manana ny maha- izy azy  sy ny fampianarana entiny. Miasa  ao anatin’ny  olona ireny  fanahy ireny noho  izany   dia misy ireo mezaka  mandrakariva    mivoy  sy manapariaka  fampianarana araka izany  fiheverana izany.  Misy  noho  izany   ny mpampianatra sandoka, ny mpaminany sandoka. Vokatra izany dia misy   ny fampianaran-diso mifanohitra amin’ny tena afahamarinana  araka an’ Andriamanitra. Araka izany, raha misy  olona mijoro  mitondra fampianarana mampitodika, mitondra ny  fiainanao ho  aiza  izany fampianarana izany ?

2-Izahao toetra ny fanahy 

Mampianatra eto ny mpanoratra : « izahao toetra ny fanahy ». Toa midika izany hoe:tsapao, sedrao. Ny fitsapana  na ny   fisedrana  dia atao hamaNntarana  ny fahamarinan’ny zavatra  iray (ohatra: volamena). NY fanahy   azoekena  ho marina dia izay mitondra amin’ny finoana marina. Fampianarana  manaiky  fa i Jesoa Kristy no Zanak’ Andriamanitra , ilay voahosotr’ Andriamanitra , tonga ety an-tany  ho famonjena izao  tontolo  izao  no fanahy   azo  inoana Ny  fanahy   manohitra izany   dia tsy  mitondra fampianarana sy finoana  kristiana marina .Fantaro ny fampianaram-pinoana marina.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen !