MOFON’AINA ALAROBIA 14 NOVAMBRA 2018

1 Fivavak’ i Davida. Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka valio aho, Fa ory sy malahelo.2 Arovy ny fanahiko, fa masina aho; Andriamanitro ô, vonjeo ny mpanomponao, Izay matoky Anao.3 Tompo ô, mamindrà fo amiko; Fa Ianao no itarainako mandrakariva.4 Ampifalio ny fanahin’ ny mpanomponao; Fa Ianao, Tompo ô, no ananganako ny fanahiko.5 Fa Ianao, Tompo ô, no tsara sady mamela heloka Ary be famindrampo amin’ izay rehetra miantso Anao.6 Mandrenesa ny fivavako, Jehovah ô, Ary henoy ny feon’ ny fifonako.7 Amin’ ny andro fahoriako dia miantso Anao aho, Fa mamaly ahy Ianao.8 Tsy misy tahaka Anao, Tompo ô, amin’ ireo andriamanitra; Ary tsy misy tahaka ny asanao.9 Ny firenena rehetra nataonao dia ho avy hiankohoka eo anatrehanao, Tompo ô, Ka hanome voninahitra ny anaranao.10 Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga; Hianao irery ihany no Andriamanitra.
SALAMO 86 : 1-10

MIHAONA AMIN’NY MINO NY TOMPO

1- Amin’ny vavaka (and 1-7)

Salamo vavaka no hitantsika eto; ny fivavaky ny mpanompon’Andriamanitra mino sy matoky an’ i Jehovah (and 1-5). Akaiky ny mino Andriamanitra : manan-tsofina mihaino sady mahita ny fahoriana mihatra amin’ny mpanompony. Izy no itokian’ny mpanompony dia izay efa nanaiky sy nanokana ny tenany hanompo Azy izay atao hoe : «masina» (and 2). Amin’ny andro fahoriana mihatra amin’ny mino dia Izy irery no azo itarainana sy antenaina hamonjy sy hanafaka. Amin’ny teny fototra dia ao amin’Andriamanitra no misy ny famindram-po. Mamaly antsika araka ny fitiavany i Jehovah. Ao amin’ny vavaka dia hita eto ny fahatsaran’Andriamanitra : mamela heloka sy be famindram-po, mihaino ny vavaky mpanompony sy izay matahotra azy.

2- Amin’ny finoana (and 8-10)

Mitondra ho amin’ny asa fanandratana sy fiderana ny finoana an’i Jehovah Andriamanitra. Misy fanekem- pinona lehibe amin’ny Mpanao Salamo. Tokana Andriamanitra ary tsy misy afa tsy Izy irery ihany. Tsy andriamanitra ny sampy sy ny andriamani-kafa sady tsy afaka ampitahaina amin’i Jehovah Andriamanitra ireny. Mpamonjy Izy sady izany rahateo ny asany (and 8). Andriamanitra manerana izao rehetra izao Andriamanitra. Ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehany sady hanome voninahitra Azy (and 9-10). Ny fivavahana marina dia misarika ny olona rehetra hatahotra an’ Andriamanitra.

Fanontaniana :

Inona no zava-kendren’nv fivavahantsika ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra !