MOFON’AINA ALAROBIA 15 APRILY 2020

Ary raha Kristy no torina fa natsangana tamin’ny maty, ahoana no ilazan’ny sasany eo aminareo fa tsy misy fitsanganan’ny maty? 13. Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana; 14. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny toriteninay, ary foana koa ny finoanareo. 15. Ary dia hita ho vavolombelona mandainga ny amin’Andriamanitra izahay, satria efa nilaza fa Andriamanitra no nanangana an’i Kristy; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mba natsangany Izy. 16. Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa aza dia tsy natsangana; 17. ary raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo; 18. dia very koa izay efa nodimandry ao amin’i Kristy. 19. Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. 20. Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy ho santatr’izay efa nodi-mandry. 21. Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny fitsanganan’ny maty. 22. Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy. 23. Nefa samy amin’ny filaharany avy: Kristy no santatra; rehefa afaka izany, dia izay an’i Kristy amin’ny fihaviany.
1 KORINTIANINA 15 : 12-23

EFA NITSANGANA TAMIN’NY MATY TOKOA JESOA KRISTY

Nitory ny filazantsara tao korinto Paoly. Nifototra tamin’ny hazo fijaliana izany fitoriana nataony izany. Ny hazo fijaliana dia mandray telo : fijalian’i Kristy, ny fahafatesany ary ny fitsanganany amin’ny maty. Nisy nitondra fampianaran-diso anefa tao Korinto nilaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty izany. Ary nisy nino izany tao amin’ny fiangonana. Niteraka olana tao amin’ny fiangonana izany ka nahavoatery an’i Paoly nanoratra ho fampianarana sy fanitsiana.

  1. Nantsangan’Andriamanitra Jesoa (and 13)

« Fa raha tsy misy fitsanganan’ny maty, na dia Kristy aza dia tsy natsangana »

Ny matoanteny hoe nantsangana no ampiasain’i Paoly raha miresaka ny fitsanganan’ny tena amin’ny maty izy. Ny hoe nantsangana mantsy dia ho enti-milaza fa tsy nitsangana tamin’ny herin’ny tenany Jesoa. Ny herin’Andriamanitra no nanangana Azy tamin’ny maty. Asan’Andriamanitra madiodio ny manangana amin’ny maty. Fa ny hoe nantsangana amin’ny maty koa dia ho enti-milaza an’Andriamanitra mandresy ny fahafatesana tamin’ny alalan’i Jesoa. Na iza na iza arak’izao te handresy ny fahafatesana, te hitsangana amin’ny maty dia mila manaiky ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa izy.

  1. Manankarena ny mino (and 19)

« Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika »

Be dia be ny mametra ny fanantenany an’i Kristy eto an-tany ihany. Ambaran’i Paoly fa raha manao izany izy dia mahantra indrindra. Amin’ny maha-kristianina anefa dia manantena fiainana mandrakizay ny mino. Ka io fanantenany tsy mifarana eto amin’izao tontolo izao no mampanankarena azy.

Mampametra-panontaniana izao andininy izao hoe: miorina amin’inona ny fanantenantsika kristianina, hatraiza ny fetrany? Ny tena fanantenana kristianina dia miorina ao amin’i Jesoa Kristy izay manome fiainana mandrakizay. Ny hampiditra ny olona rehetra amin’io FIAINANA mandrakizay io no nahatongavan’i Jesoa Kristy.

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra