Mofon’aina – Alarobia 15 febroary 2017

7 Jehovah, Izy no Andriamanitsika; Manerana ny tany rehetra ny fitsarany.8 Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy, Dia ilay teny izay voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,9 Eny, ilay nataony tamin’ i Abrahama, Sy ny fianianany tamin’ Isaka;10 Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba, Sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,11 Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana, Ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina,12 Fony mbola olom-bitsy izy, Eny, vitsy sady vahiny tao,13 Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, Sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,14 Tsy nisy navelany hampahory azy, Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:15 Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
SALAMO 105 :7-15

ANKALAZAO NY TOMPO ANDRIAMANITSIKA

Ity Salamo ity dia Salamo izay natokana hiderana an’ Andriamanitra . Mitodika amintsika rehetra ny hafatra « … dia ianareo olom-boafidiny »… (and 6)

1-Mahatsiaro ny fanekeny mandrakizay Izy (and 8)

Tsaroany hatrany ny fanekem-pihavanany dia ny fampanantenana izay nataony ho an’ny taranak arivo mifandimby. Tanisaina eto izay nataony tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba mba ho vavolombelon’ny fanekem-pihavanana izay nataony amin’ny olom-boafidiny (and 8, 9,10). Ny fanomezany ny tany Kanana (and11)izay tandindon’ny fanomezany antsika fiadanana maharitra mandrakizay ,ary ao amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy no fahatanterahan’izany ho antsika .

2-Mitantana ny fiainantsika Izy (and 12,13,14,15)

Làlan-davitra sy sarotra no nitantanany ny vahoakany : tao ny fotoana nivahinianana nitety firenena maro (and12), ny fitsapana samihafa … Nitantana azy tamin’izany ny Tompo sady niaro azy ka tsy namela ny hafa firenena sy ny mpanjaka hamely azy . Raha mitodika amin’ny lasa isika dia hahatsiaro fa Izy no nitantana sy niaro antsika tsy ho azon’ny loza sy ny fahavalo. Ary mbola mitantana antsika hatrany Izy amin’ny andro rehetra ivahiniantsika ety an-tany mandra-podiantsika ho any Aminy.

Fanontaniana:

Afaka hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mitantana ny fiainanao Izy ?

Ho an’Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.
Amen !